Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Mahajanga, ny 13 ka hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao ny Rallye du Boeny. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny hazakazaka fiarakodia. Fifaninanana karakarain’ny klioba Go Janga. Miisa 35 ireo mpanamory hiady lohany, amin’ity andiany faha-19 ity. Hifarana anio, eny amin’ny Soa tanàna Ambohimanga […]

Baolina kitra – Trosa tsy voaloa : “120 000 dolara ny karamako tsy voaefa”, hoy ny Coach Rôro

Mbola mitohy mihenjana hatrany ny tady eo amin’ny Federasionina malagasin’ ny baolina kitra (FMF) sy ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôro), eo amin’ny resaka karama tsy voaloa. Nohamafisin’ity mpanazatra malagasy ity fa mbola misy 120 000 dôlara, ny ambim-bolany tsy voaefa. Na efa namaly mahakasika ny fandoavana ny karaman’ny Coach Ra­kotondrabe Romuald […]

Atletisma – Mada 2026: Tsy nisy ny zava-bita montsana

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ala­robia, ny fifaninanam-pirenena taranja atletisma, sokajy rehetra. Tsy nisy ny fe-potoana vaovao montsana saingy nisongadina ireo atleta vao nisondrotra. Teo amin’ny vokatra, norombahin’ny ligin’ Analamanga, ny voalohany ho an’ny fandrombahana ny me­daly volamena. Saika nisongadinan’ny atletan’izy ireo avokoa ny ankamaroan’ireo “épreuves” nifaninanana. […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio, any Maputo renivohitr’i Mozambique ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja tenisy, sokajy U12 lahy sy vavy. Enina mianadahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena ka telo lahy ary telo vavy. Mitarika azy ireo sady kapitenin’ny ekipa malagasy, i Aina Rafolo. Nanapa-kevitra ny filohan’ny UBMT, taranja […]