Afaka enina andro, hiatrika ny fifaninanana “Cosafa Women’s Cup”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy izay atao any Afrika Atsimo, ny 4 – 15 oktobra ho avy izao ny Barea. Tonga nitsidika azy ireo omaly, teny amin’ny Ivontoerana Carion, ilay kandidà hanao komity mpanatanteraka ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Rajeriarison […]
Fanatajahantena
«World Jiu-Jitsu Championship» : 11 mianadahy hisolontena an’ i Madagasikara
Fantatra ireo Malagasy mpikatroka eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu hiatrika ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, andiany faha-15, hatao any Abu Dhabi, ny 31 oktobra hatramin’ny 11 novambra izao. 11 mianadahy, 10 lahy sy 1 vavy, no voatsonga tamin’ny fampivondronana 3 natao, ka hisolontena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana maneran-tany ity, eo amin’ny […]
Tenisy – “ITF World Tour Juniors” : hatao eto Madagasikara ny fifaninanana
Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena miisa roa ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Hotanterahina eny amin’ny kianja Club Olympique de Tananarive (COT) Ilafy, ny “ITF World Tour Juniors”. Fihaonana natokana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Manana ny lanjany lehibe izy ity satria hahazoana isa eo amin’ny filaharana iraisam-pirenena. […]
Basikety 3×3-“World Tour”: hisolontena ny Malagasy ireo nanao JIOI
Hatao any Shanghai, ny 14 sy 15 oktobra ho avy izao, ny “World Tour”, taranja basikety lalaovin’olona 3. Handray anjara amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny ekipa “Antananarivo”. Tohin’ny fifaninanana natao tany Wuxi, tamin’ny tapak’ity taona 2023 ity moa izao lalao “World Tour” izao ary noho ny vokatra azon’ny ekipa malagasy […]
Fifidianana filohan’ny FMF: fantatra avokoa ny laharan’ireo kandidà
Afaka fotoana vitsy, hanana mpitantana vaovao indray ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hitondra ny FMF ny iray amin’ireo kandidà dimy nirotsa-kofidina. Tontosa omaly, teny Isoraka ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ireo kandidà dimy nirotsaka hofidina amin’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka izany, mitondra ny laharana voalohany ao […]