Fanatajahantena

Kitra – « Amboaran’ny Filoha »: hiady ny loka lehibe ireo faritany enina

Hanomboka hiaina lalaom-paritany indray ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Hifanintsana eto an-drenivohitra avokoa ireo faritany enina mandray anjara amin’ny “Coupe du Président 2023”. Hotanterahina ny 10 – 20 aogositra ho avy izao, eto an-drenivohitra, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara “Coupe du Président 2023”. Araka ny valandresaka natao tamin’ireo mpanao gazety, […]

Kitra – Amboaran’ny kaonfederasiona: hanatevina ny Elgeco Plus i Tendry sy i Feno

Mitady ny fomba rehetra hahazoana vokatra tsara amin’ny fiatrehanany ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, eo amin’ny taranja baolina kitra, ny Elgeco Plus. Nantsoin’i Raux Auguste sy Radafison Jimmy, mpanazatra ny Elgeco Plus, hanatevina azy ireo, i Tendry Mataniah, mpilalaon’ny Disciples FC sy i Feno, avy amin’ny Ajesaia. Araka ny fanazavana […]

Diviziona 2 Nasionaly: resin’ny FC Inate Vakinankaratra ny ASJ FC

Notanterahina omaly, ny andro faharoan’ny fifaninanana «Ligue des Champions 2023», taranja baolina kitra, diviziona faharoa, nasionaly. Tany amin’ireo toerana efatra: Antsiranana, Ambatondra­zaka, Tsiroanomandidy, Toli­ara no nanatontosana izany. Araka ny vokatra voaray, resin’ny solontenan’i Vakinan­karatra FC Inate, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny ASJ FC, nihintsana tao amin’ny “Orange Pro […]

DAKA AN-JORONY: Mitaky fiovana sata i Faneva Ima

Tsy mbola ahitana filaminana hatramin’izao ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany. Mifampitana hatramin’ny farany ireo mpifanandrina. Andaniny, ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ankilany, Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar teo aloha, mitarika ny “Collectif des Clubs de Foot-ball Malagasy” […]