Fanatajahantena

Kitra – Fifanintsanana Can 2023: ny 7 septambra ny fihaonan’i Angola sy i Madagasikara

Hotanterahina ao amin’ny kianjan’i National de Lubango, ny 7 septambra ho avy izao ny fihaonana miverina eo amin’i Angola sy i Madagasikara. Marihina fa andro farany amin’ny fifanin­tsanana “Can Côte d’Ivoire 2023”, taranja baolina kitra, ity lalao hatao ity. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. […]

Kitra – «JIOI 2023»: tsy raikitra ny fihaonan’i Kenya sy i Madagasikara

Tsy afaka miatrika ny lalao ara-pirahalahiana, atao etsy amin’ny kianja Barea Maha­masina, ny 15 aogositra ho avy izao, ny Palanças Negras Kenya. Marihina fa hitsapa ny Barea de Madagascar izy ireo amin’izany. Raha ny fanazavana voaray, tsy tontosa ny fi­haonana noho ny hamaroan’ ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’i Kenya hiatrika […]

Lalaon’ny Frankofonia : nahazo medaly volamena i Sidonie

Norombahan’i Sidonie Fiadanantsoa, vehivavy malagasy atleta, ny medaly volamena voalohany ho an’i Madagasikara nandritra ny lalaon’ny Frankofonia, izay atao any Kinshasa, ny 28 jolay – 6 aogositra. Tao anatin’ny 13”01 segondra no nanaovan’ity atleta malagasy ity ny 100 metatra misy fefy “haies”, omaly, nandritra ny lalao famaranana. Ankoatra izay, notanterahina […]

ASNAKUFUMABEHMIRAY : namoha ny tantara namotehana ny Kung fu

Feno 38 taona, omaly 1 aogositra, ny namotehan’ny fanjakana ny taranja Kung fu, ny taona 1985. Ho fahatsiarovana sy fanamarihana ity fotoana manan-danja ity, namoha ny tantara ireo mpikatroka fahiny tao Behoririka, izay efa manana ny fikambanany « ASNAKUFUMABEHMIRAY ». Nasehon’izy ireo, omaly, teny Antsobolo, ny tena atao hoe Kung fu. Nambaran’ny […]

Handball – Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : mpanazatra ny Chateau Morange no mitantana ny Akio lehilahy

Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy, ny federasiona malagasin’ny handball, amin’izao fotoana izao. Mitohy eny Vontovorona ny fampivondronana ireo mpilalao 23, lahy sy vavy, voafantina mialoha. Andrianaivo Mickael, ilay Malagasy monina atsy La Réunion, manazatra ny Cha­teau Morange, no mitantana ny Akio, lehilahy. Ankoatra izay, nambaran’ny […]