Fanatajahantena

Basikety-2025 : fifaninanana iraisam-pirenena 6 miandry ny Ankoay

Fifaninanana iraisam-pirenena 6 no miandry ny Ankoay, eo amin’ny sehatra afrikanina sy maneran-tany, mety handraisan’i Madagasikara anjara avokoa. Voalohany, ny dingana farany amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny “Afro­bas­ket 2025”, sokajy Seniors, lehilahy. Hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 21 hatramin’ ny 23 febroary izao. Aorian’ izay, hisy ny “Cham­pions […]

Tenisy – Afrika Aostraly: resin’i Zimbabwe i Madagasikara

Nitohy omaly, tany Whindoek Namibie, ny fifanintsanana isan-tarika amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy U14 sy U16, lahy sy vavy. Resin’ny ekipan’i Zimbabwe, tamin’ny isa 2 no ho 0 teo amin’ ny manasa-dalana, ny Akomba de Madagascar U14, lehilahy. Ho an’olon-tokana, resin’i Mauchi, tamin’ny seta 2 […]

Baolina kitra-Barea U17: voaasa hiatrika fifaninanana iray volana any Maroc

Nanainga afakomaly hariva, tetsy Ivato, hihazo an’i Maroc, ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Mada­gascar, sokajy zandriny, U17 lehilahy. Araka ny vaovao voaray, omaly, hiatrika lalao ara-pirahalahiana any Maroc ireto Barea zandriny ireto, mandritra ny iray volana. Tsara marihina fa nahazo fanasana avy amin’ilay klioba any an-toerana, Raja Club Athletic, izy […]

Fifanintsanana « Afrobasket 2025 »: mpilalao 18 hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly

Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny basikety tao amin’ny pejiny facebook, omaly, ny lisitr’ireo mpilalao hitiliana izay hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny « Afrobasket 2025 », sokajy lehilahy. 18 mirahalahy izy ireo no tafiditra ao ana­tin’izany. Mpilalao milaravinahitra 6 no tazana ao anaty lisitra, ahitana an’i Mathias M’Madi, Lahotan Rija, […]