Fanatajahantena

Fitantanana ny tsipy kanetibe : Hitory ny federasionina ny «Collectif des présidents du club»

Iray andro mialoha ny fifaninanam-pirenena, taranja tsipy kanetibe, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, tetsy Ampefiloha, ny fikambanan’ny filohana klioba «Collectif des présidents du club». Anton’izany ny fahitan’izy ireo fa tsy mangaraharaha ny fitantanana ny tsipy kanetibe malagasy ataon’ny Fédé­ration sport boule malagasy (FSBM), ankehitriny. Araka izany, hametraka fitoriana eny […]

Karate – Tompondaka maneran-tany : Ahina tsy handray anjara ny Malagasy

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo Malagasy mpikatroka efatra mianadahy, ahitana an’i Ornella Iriantsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Hatra­min’ny nanaovanay fanadihadiana sy nanoratana, omaly anefa, mbola baraingo ny handehanan’izy ireo. Tsy mbola […]

Fitantanana ny baolina kitra : Nanakiana izany ireo mpilalaon’ny Barea fahiny

Niteraka fanehoan-kevitra maro ny vokatra azon’ny Barea Madagasikara nanoloana an’i Tanzanie, ny talata lasa teo. Tsy ny teto an-toerana ihany fa na ireo any ivelany aza, indrindra ireo mpilalao nandrafitra ny Barea teo aloha. Samy nanakiana ny fitantanana avokoa izy ireo ary mitaky baolina kitra madio. Tsy mbola levon’ny vavon’­ny […]

Lalaon-tsaina Echecs – Olympiades 2026: Ao anaty «Top 100» ny ekipa malagasy

Nifarana ny alatsinainy lasa teo, tany Samarcande, Ouzbekistan, ny andiany faha-46 amin’ny Olympiades eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy niatrika izany, satria tafiditra ao anaty “Top 100” ny tarika niarahan’ny lahy sy vavy. Teo amin’ny laharana faha-87 tamin’ireo firenena 150 nandray anjara izy ireo. Tsiahivina fa nifaninana […]

INDRAY MIJERY

Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja mitafo Vontovorona, ny fiadiana ny « IHF Trophy », taranja handball, sokajy «sénior », vehivavy ho an’ny faritra faha-7. Firenena dimy no hiady izay ho lohany amin’izany. I Madagasikara mpampiantrano, La Réunion, Mayotte, Seychelles ary i Comores. Haharitra hatramin’ny alahady 4 oktobra izany fihaonana izany. Nitohy tetsy amin’ny […]