Nitsara ny lalaon’i Serbie sy i Porto Rico, vondrona “A”, sokajy vehivavy, any amin’ny lalao Olympika tanterahina any France, i Yann Vezo Davidson, Malagasy mpitsara basikety. Omaly no niatrehany izany, tao amin’ny kianja mitafon’i Pierre Mauroy, ao Lille. Tsiahivina fa izy no hany afrikanina mpitsara voatendry amin’izany. Notanterahina nanomboka omaly, […]
Fanatajahantena
Echecs – Mada 2024: 12 mianadahy nahazo tapakila mankany Tunisie
Nifarana omaly, tetsy amin’ny Kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Echecs, sokajy U7 hatramin’ny U17, lahy sy vavy. Ankizy 12 mianadahy, (6 lahy, 6 vavy) no misolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana afrikanina, hatao any Tunisie, ny taona 2025. Araka ny fanazavana azo tamin-dRambolamalalatiana Haja, […]
Lalao Olympika: «Tsy hahazoam-bokatra tsara ny fanomanan-tena eto Madagasikara», hoy i Jonathan
Atleta voalohany niatrika ny fifaninanana any amin’ny lalao Olympika, tanterahina any Paris Frantsa, Raharvel Jonathan, mpilomano. Nihintsana teo amin’ny dingana voalohany izy ary tapitra hatreo ny lalany, amin’ity fihaonana goavana ity. Vao teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana dia efa nangoron-damba Raharvel Jonathan, mpilomano, teo amin’ny lalao Olympika atao any Paris Frantsa. […]
Rugby – «Federale 2» : hidona ny JSTA sy ny Stade
Hianoka lalao goavana indray ny mpitia taranja rugby, manomboka rahampitso. Etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena no hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Fédéral 2”. Miisa 4 ny fandaharan-dalao voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny JSTA Ambondrona sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE). Ekipa diso mifankahalala tsara saingy […]
Échecs – Mada 2024 : hiadiana ny tapakila handehanana any Tunisie
Nahavory ankizy maro ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja échecs, izay natao teto an-dRenivohitra, nanomboka omaly. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any Tunisie izay mahazo ny laharana voalohany isan-tsokajy. Notanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny rahampitso, etsy amin’ ny kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja échecs, sokajy […]





