Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Lavon’ny ekipan’ny Elgeco Plus, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, tany Mahajanga ny afakomaly. Lalao ampahefa-dalana mandroso amin’ny fifaninanam-pirenena Coca Cola Pureplay Football League. Tsara marihina fa hatao eny By-pass ny fihaonana miverina. Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 9 jona ho avy izao, eny amin’ny Lapan’ny […]

Ping-pong : nahazo ny tapakila hiatrehina ny lalao Olympika i Fabio

Anisan’ireo firenena hanana solontena hiatrika ny lalao Olympika, “JO 2024” tanterahina any Paris, France ny Malagasy. Nahazo ny tapakila hiatrehina izany ny taranja ping-pong, tamin’ny alalan-dRakotoarimanana Fabio. Atleta malagasy voalohany tafita hiatrika ny lalao Olympika, “JO 2024”, hatao any Paris France, ny 26 jolay ho avy izao Rakotoari­manana Fabio, mpilalao […]

Beach Soccer : resin’i Menabe ry zareo Atsimo Atsinanana

Notanterahina omaly, tany Antalaha, ny andro fahatelon’ ny fifaninanana Beach Soc­cer, “Festival Mazavaloha”. Misongadina tanteraka ny ekipan’i Menabe. Nomontsanin’ izy ireo tamin’ny isa mavesatra 10 no ho 1 ry zareo Atsimo Atsinanana. Araka izany, ity no fandresena fahatelo azon’i Menabe nandritra ny fifaninanana. Ny mpilalao voafantin’i Boeny ihany no nandresy […]