Lalao goavana no miandry ireo ekipa valo mifaninana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara amin’ny 2 jona ho avy izao. Hotanterahina eto an-drenivohitra avokoa ny lalao ampahefa-dalana rehetra. Lalao madio ! Tao anaty mangarahara tanteraka no nanaovana ny hatsapaka hahafantarana izay hifanandrina amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe”, omaly, […]
Fanatajahantena
Handball – IHF Trophy Junior: resin’i La Réunion ny Akio de Madagascar
Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar teo amin’ ny andro voalohany hiadiana ny “IHF Trophy”, faritra fahafito taranja handball sokajy “junior”, lehilahy. Fihaonana tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Resin’i La Réunion, tamin’ny isa 31 no ho 29 ry zalahy. Niady ny fihaonana saingy tombony ho an’ny La Réunion ny fahaizana […]
SOMBIM-BAOVAO
Fantatra fa tsy ho anisan’ny handrafitra ny Les Bleus amin’ny lalao Olympika, hotanterahina ao Frantsa amin’ny taranja baolina kitra i Kylian Mbappe. Fihaonana hanomboka ny 26 jolay ho avy izao. Raha ny fantatra, hiaraka amin’ny ekipan’ny Real de Madrid, amin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana 2025 ny tenany. Efa fantatra avokoa ny […]
Baolina Kitra : vita ny fifanarahan’ ny Me Rôro sy ny FMF
Izay vao milamina ny zava-drehetra. Tontosa ny talata 14 mey lasa teo, teny amin’ny foibe toeran’ny baolina kitra malagasy eny Isoraka ny fifanaovan-tsonia, fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Me Rakotondrabe Romuald (Rôro) sy ny Federasiona malagasy (FMF). Araka ny fampitam-baovao, haharitra hatramin’ny volana oktobra 2026 izany fifanarahana izany. Me Rôro, araka […]
Judo – «Mondiaux 2024»: resy teo amin’ny savaranonando Rasoanaivo Laura
Ratsy ny vokatra ho an-dRasoanaivo Aina Laura, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja judo sokajy «senior», vehivavy. Vao teo amin’ny dingana savaranonando dia efa resy ity hany solontena malagasy ity. Tsy lasa lavitra fa vao teo amin’ny lalao savaranonando dia efa nangoron-damba Rasoanaivo Aina Laura, nandritra ny fiadiana […]




