Raha tsy misy ny fiovana farany, hotanterahina eto Madagasikara manomboka ny talata 21 ka hatramin’ny alahady 26 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball, sokajy zandriny lehilahy, “cadet” sy “junior” na ny “IHF Trophy”. Firenena dimy hiady izay ho lohany amin’izany dia i Madagasikara […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hanomboka anio any Debrecen, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Lalao Olympika (JO 2024), eo amin’ny taranja basikety lalaovina olona 3. Anisan’izany ny Ankoay lehilahy, izay hifandona amin’i Lituanie, ao amin’ny vondrona «A». Aorian’izay, hidona amin’i Allemagne ary ny sabotsy izao no hifampitana amin’i Suisse. Tafaraka vondrona ao amin’ny «B » […]
Tenisy : hiatrika ny “Roland Garros” i Tiantsoa
Anisan’ireo mpilalao tenisy, hiatrika ny “Roland Garros” hatao ao Frantsa, Rakotomanga Rajaonah Tiantsoa Sarah. Fanasana manokana na “wild card” avy amin’ny mpikarakara no hahafahany manao izany, araka ny tati-baovao avy amin’ny federasiona frantsain’ny tenisy. Hanomboka ny 20 mey ho avy izao izany fifaninanana izany ary haharitra hatramin’ny 9 jona 2024. […]
Baolina kitra : hanohana ny fifaninanam-pirenena “PFL” ny Coca-Cola
Hiara-dalana amin’ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM), manomboka izao ny Groupe Habibo soloin’ny marika Coca-Cola. Herintaona azo havaozina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Coca-cola Pureplay Football 2024. Io indray no hiantsoana ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra manomboka izao. Hanohana sy hiara-kiasa amin’ny Club de Football Elite de Madagascar (CFEM), […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanainga anio, hihazo ny Debrecen, ny Ankoay lahy, hiatrika ny fifaninanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny «lalao Olympika Paris 2024», taranja basikety 3×3. Ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara, hifandimby hihaona amin’izy ireo ao i Allemagne, Suisse ary Lithuanie. Nihintsana teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana avokoa ireo solontenan’i […]




