Tontosa teny amin’ny Kianja Ivato, ny zoma hatramin’ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, taranja tsipy kanetibe, sokajy olon-tokana. Nisongadina ny klioba C2BA Vakinankaratra izay nanao pao-droa. Lasany avokoa ny teo amin’ny “senior” lahy sy vavy. Adin’ny samy zareo ny famaranana, teo amin’ny lehilahy. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara i Andry Herilalaina […]
Fanatajahantena
Taekwondo malagasy : hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena roa
Notanterahina teny Mahamasina, omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha vaovaon’ny taekwondo malagasy (FMTKD), Rakotomanana Franck Tiana, sy ny filohan’ny FMTKD teo aloha, Ramanantsoa Christian. Nandritra ny lanonana no nilazan’i Dimbiheriniaina Fanomezantsoa Pharlin, tale teknika nasionalin’ny Federasiona, fa misy fifaninanana iraisam-pirenena lehibe roa miandry an’i Madagasikara. Anisan’izany ny fiadiana ny ho […]
Kitra – Ampahefa-dalana «Play off» : hatao eto Antananarivo ny lalaon’ ny 3FB Toliara sy ny Asa Diana
Hiova ny fandaharam-potoana amin’ny fanatontosana ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Pureplay Football League” (PFL). Ekipa roa no tsy hilalao any amin’ny kianjany, dia ny 3FB Toliara sy ny Asa Diana. Nivory teny Andoharanofotsy, omaly, ny CFEM sy ireo filohana klioba tafita amin’ny ampahefa-dalana, amin’ny “Pureplay football league […]
Beach Soccer – “Festival Mazavaloha”: Ekipa 10 hiady izay ho lohany
Hanomboka anio, any amin’ny torapasiky ny faritra Sambava sy Antalaha ny andiany voalohany amin’ny “Festival Mazavaloha” ka hisian’ny fifaninanana Beach Soccer na ny baolina kitra lalaovina ambony fasika. Ligim-paritra folo no nandefa solontena amin’ity ary hiady izay ho lohany. Anisany i Melaky, Boeny, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Vatovavy-Fitovinany, Analanjirofo, Diana, Sava […]
Olan’ny baolina kitra : mafana ny ady eo amin’ny Fosa Juniors sy ny AS Fanalamanga
Niakatra ny maripanan’ny raharaha Joma, Malagasy mpilalao! Namoaka ny heviny tao anaty tambajotran-tserasera ny Fosa Junio Boeny, omaly, taorian’ny fanambarana nataon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny AS Fanalamanga, ny zoma lasa teo, teny Nanisana. Nilaza ity klioba ity fa efa niakatra eny anivon’ny tribonaly misahana ny ady ara-panatanjahantena (Tas) sy ny Fifa […]




