Nandrombaka medaly volamena tamin’ny fifaninanana « Acnoa », faritra fahafito, izay atao any Seychelles, ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra, lahy sy vavy, nandritra ny famaranana ny lalao isan-tarika ny alarobia lasa teo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 i Maurice. Nahazo medaly volamena dimy tamin’ny taranja lomano ny Malagasy […]
Fanatajahantena
Fampivoarana ny asa an-tserasera: mpanao gazety ara-panatanjahantena niofana
Ny fiainana fianarana foana! Mpikirakira vaovao ara-panatanjahantena miisa folo mianadahy, roa vavy sy valo lahy, no nisitraka fampiofanana izay tarihin’ilay frantsay mpanao gazety, Richard Eric, sy Raoto Andriamanambe, teratany malagasy. Naharitra dimy andro teo ny fampianarana nataon’izy mirahalahy ireto, izay nanomboka ny 5 mey hatramin’ny omaly, teny Ankorondrano. Tsara marihina […]
Basikety- Acnoa : tafita amin’ny manasa-dalana ny Ankoay
Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy. Taorian’ny fandresena telo tamin’ny lalao telo, nataon’ireo Ankoay U18, lahy sy vavy, nandritra ny fifanintsanana isam-bondron’ ny lalao Acnoa, faritra fahafito, izay natao ny alarobia lasa teo, tany Seychelles, tafita amin’ny manasa-dalana izy ireo. Araka ny vaovao voaray, hifanandrina amin’ny Malagasy mpilalao vehivavy, i […]
Rugby vehivavy – «CAN 2024» : hiatrika ny “Mondial 2025” D2 na D3 ny Makis Ladies
Hafaliana sy tebiteby no niainan’ireo Malagasy mpijery baolina tao Andohatapenaka, ny alarobia lasa teo. Tafavoaka mpandresy tao anaty ady sarotra ny Makis Ladies raha nifanandrina tamin’i Cameroun. Sambany teo amin’ny tantara! Tafita amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, «Mondial 2025», taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, ny ekipa nasionaly Makis Ladies. […]
Basikety – “Acnoa”: hiakatra kianja anio ny Ankoay
Tonga ity ny fotoana ho an’ireo Malagasy mpilalao zandriny, Ankoay U18, lahy sy vavy. Hiakatra kianja anio, ao amin’ny Kianja mitafon’i Victoria Seychelles, izy ireo, mandritra ny andro voalohan’ ny taranja basikety, amin’ny lalaon’ny “Association Africaine des comités olympiques (Acnoa)”. Ao amin’ny vondrona A no misy ny ekipam-pirenena malagasy. Miray […]




