Fanatajahantena

Kitra – Pureplay football league (PFL) : tsy azo jerena ny lalaon’ny 3FB sy ny Fosa Jr

Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ny “Play-offs” ireo ekipa 8 hiady izay ho lohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Ankoatra ireo fihaonana telo, tsy azo atrehin’ny mpijery ny lalaon’ny 3FB Toliara sy ny Fosa Jr Boeny. Hotanterahina ny alahady 28 avrily ho avy izao, ny lalao ampahefa-dala­na mandroso […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo, tanterahina any Egypte, ny 24-28 avrily ho avy izao, ny ekipam-pirenena malagasy. Miisa efatra mianadahy, telo vavy, iray lahy izy ireo no efa any. Araka ny fandaharam-potoana, ny fihetsika mirindra “kata” no hanokatra ny fifanintsanana ho an’ireo mpandray anjara. Hotontosaina, anio, […]

Ping-pong- Afrika Atsinanana : norombahin’i Madagasikara ny medaly volamena

Nifarana omaly ny lalao isan-tarika ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, izay natao tany Ouganda, taranja tenisy am­bony latabatra “Ping-pong”. Nandrombaka ny medaly volamena tamin’izany ny ekipam-pirenena malagasy, so­kajy lehilahy. Lavon’i Mada­gasikara, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalao voafantin’i Ouganda, mpampiantrano. Raha hiverenana ny lalao famaranana […]

Run – Mada 2024: hiaro ny anaram-boninahiny i Bobo Jr

Hiditra amin’ny dingana voalohany, hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, ny Run ny faran’ny herinandro ho avy izao. Hifampitana ao amin’ny sokajy Prorun ireo fiara matanjaka sy ny mpanamory kalaza amin’ity fifaninana ity. Hotanterahina eny amin’ny «piste» Arivonima­mo, ny alahady ho avy izao, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara […]