Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga «Ligue 1», taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Toulon Academie sy ny AS Ste Anne Bongatsara. Hisolo tena an’Analamanga eo amin’ny fifaninanam-pirenena 2025 ireto ekipa roa ireto. Misaona ny tontolon’ny baolina lavalava eto Mada­gasikara sy […]

Nandresy 2 no ho 1: laharana voalohany ny Barea!

Mitazona ny laharana voalohany ao amin’ny “Vondrona I” ny Barean’i Madagasikara. Resiny tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipam-pirenena kaomorianina, omaly, tany Johannesburg. Mitohy ny fahombiazana! Nahazo isa telo fa­nampiny indray ny ekipam-pirenena Barea, omaly, tao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg Afrika Atsimo. Nandresy an’i Como­res tamin’ny isa 2 […]

Karate – Afrika Atsinanana: nankasitraka ny fandraisan’ny Malagasy i Djibouti

Tsy mitsanga-menatra i Madagasikara amin’ny fandraisana ny fifaninanana afrikanina eo amin’ny taranja karate. Nankasitraka ny lamina i Djiboutie. Nanolotra teny fisaorana sy fankasitrahana ny Federasiona malagasin’ny taranja karate (FKM), ny lehiben’ny karaten’i Djibouti (FKDji), Abdoulkader Bourhan Kanano, omaly, teny Antani­narenina. « Ankoatra ny ady medaly, zava-dehibe aminay ny mandray anjara amin’ny fifaninanana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, any Toamasina, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja basikety, N1A faritra Atsinanana, sokajy lahy sy vavy. Hisy lalao efatra handeha any an-toerana. Anisan’izany ny fihaonana tena andrasan’ny maro eo amin’ny lehilahy, ny fifanandrinan’ny Ascut Atsinanana sy ny Cosfa Analamanga. Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahatena […]

“Mondial 2026”: hiady ny isa telo i Madagasikara sy i Comores

Hifanandrina amin’i Comores i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Fanamby goavana ny miandry ny Barea. Lalaon’ny samy nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina! Anio, ao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg, hifanandrina i Madagasikara sy i Comores. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny […]