Fanatajahantena

“Telma E-sport series” : nanao pao-droa i JZ Rayan

Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben’ny Telma Andra­haro, ny fanolorana ny fankasitrahana ho an’izay telo voalohany nandresy tamin’ny fifaninanana “Telma E-sport series 2024”. Nanaovan-dRalainaivo Mamitiana Herilanto na JZ Rayan pao-droa ity fifanintsanana ity. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ ny sokajin-dalao roa izy : ny “E-football” sy ny “EAFC”. Noto­loran’ny mpikarakara lelavola […]

Taekwondo : hisy ny fanadinana hiakarana ambaratonga

Mikarakara hetsika voalohany ny Federasiona malagasin’ny taekwondo. Hotanterahina ny alahady izao izany. Araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona ma­lagasin’ny taekwondo (FMTKD), omaly, hisy ny fanadinana hiakarana ambaratonga federaly sy ny kukkiwon, ny alahady ho avy izao, eny amin’ ny CFFAMA Nanisana. He­tsika voalohany karakarain’ny tale teknika nasionaly (DTN) ny Federasiona, Fanome­zan­tsoa […]

Fifaninanana Afrika Atsinanana : andrasana ny fahatongavan’ny filoha lefitry ny WKF

Ho avy eto Madagasikara, anio, ireo tomponandraikitra ambony iraisam-pirenena amin’ny taranja Karate. Ani­san’izany ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena (WKF), i Bechir Cherif. Hiara-dalana aminy i Souleymane Gaye, lehiben’ny fikambanan’ny Federasiona aty Afrika (UFAK). Manatevina ny delegasiona koa i Zetouni, filohan’ny kaomisiona mpitsara ao amin’ny WKF. Ankoatra izay, efa tonga […]

SOMBIM-BAOVAO

Hitohy etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro faharoa, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy. Fihaonanana hotanterahina ny alahady ho avy izao. Hifandona eo amin’ny D1, ny FTFA Antohomadinika sy ny 3FB. Hanokatra ny fihaonana ny an’ny D2, hifanandrinan’ny SCB Besarety 2 sy ny FTVL Lalamaty. Tsy […]

Lomano, tatsy Maorisy : nahazo medaly volamena i Holy

Notanterahina tatsy Maurice, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny taranja lomano fanao amin’ny andro ririnina. Nandray anjara tamin’izany ny Malagasy, tamin’ny alalan-dRabejaona Holy Antsa. Nison­gadina ny zava-bitany satria nandrombaka medaly volamena telo, tamin’ireo fihaonana natrehiny izy. Anisan’izany ny teo amin’ny 100 m lomano tsotra, tontosany […]