Fanatajahantena

Kitra – «Chan 2023»: mpilalao 26 mandrafitra ny Barea de Madagascar

Mifangaro ao anatin’ny lisitry ny Barea de Madagascar, handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”, ireo mpilalao manana traikefa sy ireo teknisianina. Vonona ry zalahy, hiatrika ny fifaninanana. Namoaka ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny Barea de Madagascar, handeha hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho […]

Rugby – Federasiona frantsay: nanaiky hiato i Bernard Laporte fa tsy hiala

Tsy nandà ny sazy fampiatoana, amin’ny maha filohan’ny federasiona, taranja rugby frantsay (FFR) azy, i Bernard Laporte. Saingy tsy manaiky ny hanasorana azy tsy ho filoha intsony. Araka ny vaovao hita, tao anaty tambajotran tserasera, omaly. Hijanona amin’ny asany ity lehiben’ny FFR ity, mandra-piandry ny fitsarana azy farany. Raha tsiahivina […]

Basikety-Taona 2023: hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena 5 ny Ankoay

Ho feno tanteraka ny tetiandro ho an’ny ekipa malagasy, taranja basikety, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny taona 2023. Fifaninanana iraisam-pirenena dimy no handraisan’izy ireo anjara. Ankoatra ny lalaon’ny Nosy 2023, hatao eto Madagasikara izay handraisan’ny taranja basikety anjara mavitrika, eo amin’ny 3×3 sy 5×5, fifaninanana iraisam-pirenena dimy no hilalaovan’ny ekipa […]

Filaharan’ny FIFA: tsy nihetsika ny Barean’i Madagasikara

Namoaka ny filaharan’ireo ekipa mivondrona ao aminy ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA) , omaly alakamisy. Tsy mihetsika fa mijanona eo amin’ny laharana faha-102 maneran-tany ny Barea de Madagascar. Noho ny tsy mbola fisian’ny lalao nataon’ny Malagasy ny anton’izany, araka ny voalaza. Tsy nisy fiovana toy izany koa ny voalohany […]