Fanatajahantena

Basikety – «Mondial U19» : ho mpifanandrina amin’ny Ankoay ny Bekintana

Firenena goavana maro no efa nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja ba­sikety lalaovina olona dimy, ho an’ny sokajy zandriny U19 lehilahy. Fihaonana hotanerahina any Debrecen Hongrie, ny 24 jona ka hatramin’ny 2 jolay 2023. Fantatra ary izao fa anisan’ireo efa tafita ihany koa ry zareo […]

Fetiben’ny basikety-Tanà Ville: hafana ny fanokafana ny taona 2023

Ho famaranana ny taona 2022 sy ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2023, mikarakara hetsika goavana ny seksionan’ ny Basikety Antananarivo Re­nivohitra (SBBAR). Hetsika hotanterahina rahampitso asabotsy 14 janoary, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Araka ny fandaharam-potoana, hizara roa mazava tsara ny fotoana, hisy ny lalao miisa 4, ka […]

Kitra – «Chan 2023»: mety halalaka ny lalan’ny Barea, niala an-daharana i Maroc

Araka ny vaovao farany tao anaty tambajotran-tserasera, dia tsy isan’ireo ekipa handray anjara amin’ny « Chan Algérie 2023» i Marôka. Nihena iray izany ny vondrona « C », izay misy an’i Barea de Madagascar sy Ghana ary Soudan. Vaovao iray vao mafana ihany koa no nahalalana fa tsy ho anisan’ireo handray anjara amin’ity andiany […]

Handray anjara mavitrika i Maroc

Tsy araka ny resaka nandeha tamin’ny herinandro lasa teo fa niala an-daharana ny Lionan’i Atlas Maroc, eo amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Fantatra izao fa efa tonga any Algérie izy ireo, ary nanambara ny fahavononany handray anjara sy […]

Handball – IHF Trophy U20 : hanainga ny asabotsy izao ny Akio Madagasikara

Taorian’ny fandresen’ny Akio Madagasikara lehilahy tamin’ny “IHF Trophy” faritra faha-7, ny volana novambra lasa teo, handeha hanainga ho any Congo Brazaville izy ireo ny asabotsy ho avy izao. Hiatrika ny fifaninanana antsoina hoe “IHF Continental Trophy U20” no anton-dian’ ny ekipam-pirenena malagasy ho any. Fifaninanana izay hatao ny 16 ka […]