Azo lazaina fa matoky ny rafitra iraisam-pirenen’ny taranja baolina kitra malagasy ny federasiona misahana ny baolina kitra eran-tany na ny Fifa. Nisy ny famoahan’izy ireo ny anaran’ireo mpitsara iraisam-pirenena malagasy miisa 19, taona 2023, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, omaly. Ny enina amin’izy ireo dia mpitsara afovoany, raha mpitsara mpanampy kosa […]
Fanatajahantena
Slalom – “Mada 2022” : nanao pao-droa Rakotojohary Tovonen Jr
Niavaka ny zava-bitan-dRakotojohary Juan (Tovonen Jr), teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Slalom, ho an’ iny taona 2022 iny. Nanao pao-droa ny tovolahy satria sady norombahiny ny teo amin’ny filaharana ankapobeny no azony ihany koa ny teo amin’ny sokajy zandriny “espoir”, 14-17 taona. Raha hiverenana ny vokatra azony, […]
Rugby – « 6 Nations » : maratra ilay mpilalao frantsay Jonathan Danty
Vaovao ratsy ho an’ny ekipam-pirenena frantsay, taranja rugby, ny faharatrana mahazo an’i Jonathan Danty, mpilalaon’ny Stade Rochelais Frantsa. Ny XV de France, izay hanao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja rugby, na “6 Nations”, amin’ny 4 febroary hatramin’ny 18 marsa ho avy izao. Araka ny vaovao hita tao anaty […]
Kitra : nanao fanazaran-tena indroa ny Barea
Taorian’ny niaingan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, teto an-tanindrazana, ny alatsinainy lasa teo, nanao fanazaran-tena indroa, tamin’ny 10 ora maraina sy ny 6 ora hariva, izy ireo, omaly. Izany dia notanterahina tao amin’ny kianja Tabarka Stadium. Fiomanana izay natao hiatrehana ny lalao hihaonana amin’i Congo Brazzaville, ny 6 janoary sy i […]
Tae-kwon-do WT – «Mada 2023»: hisantatra ny fifaninanana ny “Poomsae”
Hifantoka any Toamasina avokoa ny sain’ny mpitia haiady (Tae-kwon-do WT) rehetra, manomboka anio. Ho fantatra any mandritra ny fanatontosana ny fifaninanam-pirenena mantsy izay handrafitra ny ekipam-pirenena. Hanomboka anio, ao amin’ny kianja mitafo Soavita Toamasina, ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja Tae-kwon-do WT. Ny sokajy rehetra no handray anjara amin’izany. Hatreto, ligim-paritra fito […]