Efa fantatra avokoa ireo firenena hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny “Can 2023”, atao any Côte d’Ivoire. Hanokatra izany voalohany ny fihaonan’i Nigeria sy i Angola. Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’ny Le Felicia Côte d’Ivoire, ny fihaonana eo amin’ny Super Eagles, Nigeria sy ny Palancas Negras, Angola. Tafiditra amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana […]
Fanatajahantena
Ampahefa-dalan’ny Can : Sambany tsy nisy ekipa magrebianina
Miala sasatra ireo ekipa mbola manohy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024), anio alakamisy. Efa fantatra avokoa ireo 8 hiatrika ny ampahefa-dalana, manomboka rahampitso zoma. Nisehoan’ny vokatra tsy nampoizina ity “Can 2024” ity, araka ny fandinihan’ireo manampahaizana momba ny baolina kitra. Sambany […]
Tsipy kanetibe: miandry ny fanalana sazy ny Malagasy
Araka ny fikaroham-baovao natao, mangataka ny fandaharanasa ao anatin’ny dimy taona avy amin’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), tarihin’Andrianirina Adrien, ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenena. Raha ny fantatra, efa manaiky ny fitsanganan’ny komity mpitantana vonjimaika amin’ity taranja ity, i Claude Azema. Raha io zava-misy io, efa ho afaka ny sazy mahazo […]
Judo : hiofana any Hongrie i Laura Rasoanaivo
Anatin’ny fiomanana tanteraka sy fiatrehana ireo dingana farany hahazoana ny tapakilan’ny lalao Olympika hatao any Paris, amin’izao fotoana izao, Rasoanaivo Razafy Laura, judokas malagasy. Hiofana 3 volana any Hongrie i Laura, mialoha ny hiatrehany ny lalao afrikanina hatao any Ghana, ny volana marsa izao. Fiofanana tafiditra amin’ny fanomanana ny lalao […]
Moto- Mathias Plantive : nandresy tamin’ny dingana voalohany
Nanjakan’i Mathias Plantive ny fifaninanana nasionaly dingana voalohany “1ère manche”, taranja Moto cross, sokajy “Elite 1” izay notanterahina teny Ambohidava, ny alahady 28 janoary lasa teo. Laharana voalohany ny tenany rehefa nahavita “tours” 12 tao anatin’ny 20 minitra, ka nahazoany isa 50. Teo amin’ny laharana faharoa kosa i Claudio Tida, […]




