Hotanterahina ny 28 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « Pureplay Football League (PFL) », taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Fosa Junior Boeny sy ny 3FB Toliara. Nampahafantarin’ny Federasiona malagasin’ny basikety, omaly, fa tsy misy ny vola aloa rehefa […]
Fanatajahantena
Tenisy – ITF/CAT African Junior : hiady ny medaly alimo, anio, i Mitia
Hionona amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo, amin’ny handrombahana ny medaly alimo amin’ity sabotsy ity, i Andraina Voavy Mitia, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, sokajy junior. Resy teo amin’ny manasa-dalana, i Andraina Voavy Mitia, nandritra ny ITF/CAT African Junior, taranja tenisy, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina omaly, tao […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina any Antsirabe, ny 1 hatramin’ny 5 mey ho avy izao, ny andiany faharoa amin’ny fifaninanana Fiba 3×3 “Shoot out Bira”, taranja basikety. Hetsika karakarain’ny ligin’i Vakinankaratra sy ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) ity hatao ity. Hotontosaina any amin’ny nosy rahavavy La Reunion, ny 27 hatramin’ny 28 avrily, ny “Festival […]
Diamanga vaovao : nizara ny fahaizany Rakotonindriana Parfait
Tontosa ny alarobia lasa teo, teny amin’ny Axian University Andraharo, ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny diamanga, taranja ara-panatanjahantena nentim-paharazana malagasy. Nitarika izany teny an-toerana ny filohan’ny Diamanga vaovao, Rakotonindriana Parfait Andriantsiory. Nizara ny fahaizany mahakasika izany tamin’ireo mpianatry ny Oniversite Ankatso miisa 10 mianadahy ny tenany. Araka ny fanadihadiana natao, mandrato […]
« Ligue des Champions» : fantatra ny ekipa hanao ny manasa-dalana
Nifarana ny alarobia lasa teo ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ny Paris Saint Germain (PSG) Frantsa, klioba roa avy atsy Allemagne, Dortmund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany. Raha hiverenana ny lalao […]





