Fanatajahantena

Tenisy – « United Cup »: resy indray i Rafael Nadal

Notanterahina, omaly, ta­ny Aostralia ny andro faharoa amin’ny fifaninanana taranja tenisy “United Cup”. Faha­resena faharoa indray no azon’ ilay Espaniola, Rafael Nadal, rehefa niondrika teo anatrehan’ ilay Aostralianina, Alex De Minaur, tamin’ny seta 2 no ho 1 ( 3/6, 1/6, 5/7). Fihaonana natao tao Mel­bourne. Mihintsana avy hatrany izany ity […]

Firariantsoan’ny mpitantana fanatanjahantena

Rakotozafy Rosa, Tale jeneralin’ny spaoro, MJS Miarahaba ny mpitantana sy mpanao fanatanjahantena rehetra. Mirary fahombiazana tanteraka, indrindra amin’ny fiatrehana ireo lalao iraisam-pirenena isan-karazany ho an’ny taona 2023 izay hahitana ny lalao afrikanina, ny “Jeux de la Francophonie” ary indrindra ny Lalaon’ny Nosy izay hatao eto Madagasikara. Anaty fifehezantena tanteraka, fahazotoana […]

Kianja Rabemananjara: ho vita amin’ny fiando-han’ny volana febroary

Hiverina ao amin’ny kianja Rabemananjara, ny lalao rehetra ataon’ny Fosa Jr sy ny Tsaramandroso Formation, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara «Orange Pro League», amin’ny fiandohan’ny volana febroary 2023. Io no nambaran-dRabezafy Fa­bien, lefitra faharoa ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Mahajanga, sady mpikambana amin’ny fitantanana ny kianja Rabemananjara. Fantatra […]