Higadona afaka valo andro ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo. Manana fikasana ny handefa atleta enina mianadahy ny federasiona malagasin’ ny judo amin’ity fifaninanana ity. Fifaninanana hatao any Egypte, manomboka ny 23 avrily ho avy izao izy ity. Hatreto, tsy mbola nandefa ny taratasy milaza ny fandraisany anjara […]
Fanatajahantena
Sombim-baovao
Nisongadina indray Randriatsiferana Tokinantenaina Olivier na i Tsiry kely, Malagasy mpilalao baolina kitra milalao any La Reunion, omaly. Nahatafiditra baolina telo ho an’ny St Paul, klioba renioney izy ary nandresy ny St Suzanne tamin’ny isa mavesatra, 7 no ho 0, ry zareo tamin’izany. Tsiahivina fa i Tsiry kely no mpilalao […]
Kianja Barea Mahamasina: misy fepetra takin’ny Caf
Taorian’ny fitsirihana nataon’i Josua Andries Hoebeb, «inspecteur»-n’ny Caf ny kianja Barea Mahamasina, ny zoma 5 avrily lasa teo, nisy fepetra maika tsy maintsy tanterahina raha tiana ny hahazoan’io fotodrafitrasa ho an’ny baolina kitra io fankatoavana, mba hampiantranoana ireo fihaonana iraisam-pirenena atsy ho atsy. Anisan’ireny ny fanamafisana ny fiarovana ireo mpijery […]
Tetikasan’ny FMF : havaozina ny ivontoerana eny Carion
Nandritra ireo telo andro nandalovan’i Gelson Fernandes, tale rejionalin’i Afrika eo anivon’ny Fifa, teto Madagasikara, nitsidika ny ivontoerana nasionaly eny Carion ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy, Rasoamahenina Sanda, Malagasy miasa ao amin’ny Fifa. Notanterahina teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, afakomaly, ny fivoriambe ara-potoana (AG O) voalohany, izay nokarakarain’ny Federasiona […]
Lomano : nandrombaka medaly efatra i Tendrinavalona Idealy
Tsy mitsahatra ny mivoatra ny Malagasy mpilomano, i Tendrinavalona Idealy, any Thaïlande, ao anatin’ny fisitrahany ny vatsim-pianarana taranja lomano, mandritra ny herintaona. Ankoatra ny fiofanana amin’ny endriny maro, miatrika fifaninanana matetika ihany koa izy any an-toerana. Fifaninanana natrehany, ny alarobia lasa teo, ny “Thaïlande national” ho an’ny dobo filomanosana 50 […]





