Fanatajahantena

“Can 2024”: tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire i Senegal

Noravan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny nofinofin’ny Lionan’i Teranga Senegal, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Tapitra teo amin’ny ampahavalon-dalana ny dian-dry zalahy. Lavo ny andrarezina. Nifa­rana ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny kianja Charles Konan Banny de Ya­moussoukro, ny lalan’ny Lio­nan’i […]

“Can 2024”: Maroc sisa ny ekipa magrebianina mifaninana

Ho fantatra anio ireo ekipa roa farany hiatrika ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire. Ny Lion d’Atlas, Maraoka sisa no hany ekipa magrebianina mbola mifaninana. Hifanandrina amin’i Afrika Atsimo, ao amin’ny kianja San Pedro izy […]

Jiu-Jitsu : mpikatroka 100 manampy traikefa

Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja mitafon’An­korondrano, ny fizarana traikefa eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu, ataon’i Vicente Cavalcanti, ilay Breziliana manam-pahaizana. Malagasy mpikatroka manodidina ny 100 misitraka izany. Fiofanana sy fifampizarana no atao eny an-toerana, hatramin’ny anio. Nigadona teto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, ity Breziliana mpampiofana ity. Tsiahivina fa tepana mainty […]

Badminton : hatao amin’ny avrily ny fifidia­nana filohan’ny Federasiona

Taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara natao teny Ampefiloha, ny sabotsy 20 janoary lasa teo. Hiatrika ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny Federasiona malagasin’ny Badminton. Hotanterahina ny faran’ny volana avrily ho avy izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Bad­minton (FMB). Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao eto Antananarivo […]