Fanatajahantena

NY VINAN’ IREO ATLETA

Rasoanaivo Razafy Laura (Judoka) -Vinako amin’ity taona 2023 ity, ny hampitombo ny isako hahazoako ny tapakila hiatrehana ny Lalao olympika 2024. Hiezaka ny hitazona ny anaram-boninahitra efa eo ampelatanako aho. Fa­namby ny hahazoako ny tompondaka an’i Afrika so­ka­jy Junior. Ankoatra izay, ha­­ka medaly amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afri­ka sokajy […]

Basikety : nodimandry i Veve Prince

Misaona ny tontolon’ny taranja basikety malagasy. Nodimandry, omaly 1 ja­no­ary, i Hajaniaina Veve Prince (Veve Jump). Mpi­kambana tao amin’ ny federasiona malagasy ny basikety (FMBB), ny tenany. Aretina homamiadana, efa nikiky azy nandritra ny fotoana maro no nitarika ny fahafatesany. Anisany tena nahafantarana azy, ny fikarakarana ny fifaninanana “Tournoi Jump”. […]

Tsipy kanetibe: nisongadina ny amboaran’ny filoha

Anisan’ny taranja nampamiratra ny malagasy, ny tsipy kanetibe. Nanjombona sy nisedra olana anefa izany nandritra iny taona nivalona iny. Teo ny tsy fisian’ny lalao iraisam-pirenena, natrehina sy ny namoizana ny mpanazatra ny ekipam-pirenena. Na izany aza, nisongadina kosa ny fisian’ny fifaninanana niadiana ny amboaran’ny Filoha, izay fahombiazana tanteraka. Nifamahofaho tao […]

Tae-Kwon-Do WT : hatao any Toamasina ny fifaninanana

Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, eo amin’ny taranja Tae-Kwon-Do WT, ny ligin’ Atsinanana. Hotantera­hina ny 5 ka hatramin’ny 7 janoary ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny sokajy rehetra. Hiady izay ho lohany amin’ izany, ireo ligy 9 mandrafitra ny federasiona. Hanana ny lanjany manokana ity fihaonana ity, […]

Fahafatesan’i Pelé : nanome voninahitra azy ny mpankafy baolina kitra rehetra

Nodimandry i Edson Arantes Do Nascimento na i Pelé, mpanjakan’ny baolina kitra brezilianina sy eran-tany, ny alakamisy lasa teo. Tao­ri­an’izany, naneho ny fihetseham-pony mahakasika izany, ireo olo-malaza rehetra, tao anaty tambajotra serasera. Araka izany, nanoratra hafatra ho an’i Pelé ireo kin­tan’ny baolina kitra ankehitriny, isan’izany i Messi, mpilalao Arzantina, “ […]