Fanatajahantena

Judo – Mada 2022: judokas 329 ny hifaninana hatreto

Hatao, anio, ny atsapaka sy fandanjana, mialohan’ny hiatrehana ny fifaninanana, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka an’i Madagasikara, taranja Judo. Fifaninanana hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, rahampitso sy rahafakampitso. Mavitrika ny mpandray anjara, amin’ity fandaharam-potoana hamaranana ny taona 2022 ity. Efa manodidina ny 329 no nanao ny « engagement » handray […]

Rallye – «Mada 2022»: tompondaka eo amin’ny «Pilote» i Mathieu

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2022, ho an’ny mpanamory fiarakodia, Andrianjafy Mathieu (Zaza maditra), avy amin’ny klioba ASACM. Nahatratra 392, 20 ny isa azony, nandritra ny taom-pilalaovana. Nandray anjara hatrany i Mathieu, teo amin’ireo «Rallye» miisa fito. Raha tsiahivina, 12, 50 ny isa azony, teo amin’ny Rallye FMMSAMM. 44, 00 indray […]

Ping pong – Mada 2022: hifantenana ny ekipam-pirenena

Ho fiatrehan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy (JIO 2023), hisy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra (Mada 2022). Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahatena Mahamasina, ny 5 – 8 janoary 2023 ho avy izao. Tanjona amin’izany fifaninanam-pirenena izany ny hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Marihina […]

Basikety-Ankoay U19: haharitra 10 andro ny fampivondronana voalohany

Mafy ny fanazaran-tena hatrehan’ny Ankoay U19 lehilahy, amin’izao fanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety izao. Haharitra 10 andro ny fampivondronana tapany voalohany, hataon’ireo mpilalao 14 mirahalahy. Araka ny fandaharam-potoana, manatanteraka fanazaran-tena indroa isan’andro etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ireo mpilalao, miaraka amin’ny mpanazatra , tarihan’ny Coach Randria Aimé, […]

Randrianasoloniaiko Siteny: Malagasy faharoa, tafapetraka ho filohana federasiona eto Afrika

Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra teo amin’ny taranja Judo, Randrianasoloniaiko Siteny. Tsy eto Madagasikara ihany izy no fantatra eo amin’ity taranja ity, fa eo amin’ny sehatra Afrikanina sy iraisam-pirenena ihany koa. Voafidy ho filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo), ny 18 mey 2022, ary izy no Malagasy faharoa […]