Hiditra amin’ny andiany faharoa ny “Echange Nationale”, fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny, U9, U12, U14. Hotanterahina ao amin’ny kianja Stadium Barikadimy sy CRJS Toamasina izany, ny 27, 28 ary ny 29 desambra ho avy izao. Sekolin’ny baolina kitra miisa fito no hifampitana amin’ity, ka telo avy ao Toamasina […]
Fanatajahantena
Filaharan’ny FIFA: tsy nihetsika ny Barean’i Madagasikara
Namoaka ny filaharan’ireo ekipa mivondrona ao aminy ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA) , omaly alakamisy. Tsy mihetsika fa mijanona eo amin’ny laharana faha-102 maneran-tany ny Barea de Madagascar. Noho ny tsy mbola fisian’ny lalao nataon’ny Malagasy ny anton’izany, araka ny voalaza. Tsy nisy fiovana toy izany koa ny voalohany […]
Kitra any ivelany: efa manao fanazaran-tena sahady i Mbappé
Taorian’ny fahavitan’ny “Mondial 2022”, tany Qatar, tsy niandry ela fa avy hatrany dia niverina nanao fanazarantena i Kylian Mbappé. Mbola izy irery no manatanteraka izany, omaly alakamisy, tany amin’ny ivontoerana “Camp des Loges”, fanaovan’ny Paris Saint- Germain, klioba ilalaovany, fanomanana. Tsiahivina fa voahosotra ho mpilalao mpamono baolina be indrindra i […]
Echec-Mada : nanao pao-droa i Toavina
Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Live Hotel Andavamamba, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara Blitz sy Rapide, taranja Echec. Nisongadina tanteraka ny mpilalao Razanadrakotoarisoa Toavina, izay sady nahazo ny fandresena teo amin’ny Blitz no voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Rapide ihany koa. Notsoahiny teny am-pelatanan-dRakotomaharavo Dylan (tompondaka 2021) ny […]
Kitra U19 – Amboara rezionaly: hifantenana izay handrafitra ny Barea Kely
Ho fiatrehan’i Madagasikara ny “Cosafa 2023”, ho an’ny sokajy zandriny U20, hisy fifaninanana amboaram-paritra, ho an’ny U19. Hifantenana izay handrafitra ny Barea de Madagascar, amin’izany lalao izany, ny antony. Handray anjara amin’ity amboaram-paritra ity ireo faritra 22. Hozaraina amin’ny kianja miisa valo izy ireo. Hanomboka ny 6 – 8 janoary […]