Misaona ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany. Nindaosin’ny fahafatesana tany Allemagne, teo amin’ny faha-78 taonany, ilay kintan’ny kitra alemà, i Franz Beckenbauer, ny alatsinainy lasa teo. Ny aretina efa nitaiza azy hatry ny ela no nitarika izao fodiamandriny izao. Tsy tao Allemagne ihany ny nahafantarana azy fa saika nanerana izao tontolo […]
Fanatajahantena
Coach Rôrô : nanomboka omaly ny fiofanana
Ny alahady lasa teo no nanainga teny Ivato, hihazo an’i Frantsa, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, Malagasy mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hiatrika fiofanana no anton-dian’ity mpanazatra ity any an-toerana ary efa nanomboka omaly izany. Marihina fa klioba telo no hanaovan’ity Malagasy teknisianina ity fiofanana any an-toerana. Anisan’izany ny […]
Tenisy – “ITF/CAT Southern Africa” : Lavo teo amin’ny manasa-dalana ny Malagasy
Tapitra teo amin’ny manasa-dalana ny dian’ny Malagasy, amin’ny lalao an’olon-droa miaraka, “double”, nandritra ny fifaninanana “ ITF/CAT Southern African Championships 2024”, sokajy junior. Hanomboka anio kosa ny lalao ho an’ireo ekipa. Nihintsana teo amin’ny lalao manasa-dalana, Raharinjanahary Chrystella, vehivavy mpilalao tenisy, omaly. Lavon’ireo vehivavy zimbaboey, i Kuzivaishe Chapepa sy i […]
Pré-qualification-« Afrobasket 2025 : ho avy ireo “expatriés” ny 13 sy 14 janoary
Efa notaterina teto fa nanomboka niatrika ny fampivondronana mikaton-trano, eny amin’ny Cnaps Vontovorona, ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena, hifaninana amin’ny Pré-qualification-“ Afrobasket 2025″. Fifaninanana hotanterahina eto Madagasikara, ny 16 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao, eny amin’ny Lapan ‘ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpilalao miisa 12 mirahalahy izy ireo no mivondrona […]
TENISY – « ITF/CAT »: hiady laharana ny ekipa malagasy
Notanterahina nanomboka ny sabotsy lasa teo, tany Windhoek Namibie, ny fifaninanana “ITF/CAT Southern African Championships 2024”, taranja tenisy, sokajy junior, lehilahy sy vehivavy. Lalao hiadiana ny laharana sisa no ataon’i Madagasikara amin’izany raha ny vokatra azo nomen’ny federasiona malagasin’ny tenisy (FMT), ny alahady lasa teo. Raha ho an’ny sokajy vehivavy […]




