Fanatajahantena

Kitra vehivavy – « Poule des As »: manana solontena roa i Vakinankaratra

Samy tafakatra amin’ny «Poule des As», hiadiana ny ho tompondakan’i Ma­da­gasikara, taranja baolina kitra vehivavy, ireo ekipa roa, avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra. Anatin’ iza­ny, ny AC Sab-Nam, sy ny Disciples FF. Fihao­na­na, hatao eto Antananarivo, ny volana febroary 2023. Marihina fa nifarana ny asabotsy lasa teo ny dingana faharoa amin’ny […]

Barea Chan: hivoaka ny zoma izao ny lisitr’ireo mpilalao 23

Ho fantatra amin’ny 23 desambra ho avy izao, ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”, hatao any Alzeria, ny 13 janoary ka hatramin’ny 4 febroary, ho avy izao. Araka ny fanambaran-dRa­ko­ton­drabe Romuald Felix (Rôrô), mpanazatra ny Barea Chan, ny asabotsy lasa teo, […]

Kitra – Lalao fihantsiana : vonona hanohitra ny Barea ny ekipan’i La Réunion

Ho ambohipihaonan’ny mpitia baolina kitra ny etsy amin’ny kianjaben’i Maha­ma­sina, anio asabotsy. Ho­tan­terahina eo ny lalao fihantsiana eo amn’ny Barea «Chan» sy ny ekipa voafantin’i La Réunion, hatevenin’ireo mpilalao malagasy mila ravinahitra any amin’io Nosy rahavavy io, toa an’i Dina, i Ando Pro, i Boura sy i Baggio ary i […]

Afa-po ny CIJ : raikitra ny Lalaon’ny Nosy 2023 eto Madagasikara

Tsy miova fa horaisin’i Madagasikara, ny lalaon’ny Nosy 2023. Io no fantatra taorian’ny fitsidihana nataon’ireo mpikambana eo anivon’ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), teto amin-tsika. Nifarana, omaly, ny fi­vo­riana nataon’ny CIJ (Conseil International des Jeux), teto Madagasikara. Afa-po ny filohan’ny CIJ, i Anthony Gopal ary nahita ny fahavononan’i Madagasikara, amin’ny fotodrafitrasa […]

JIOI 2023-CIJ : nidina ifotony tany Mahajanga

Taorian’ny fanokafana ta­min’ny fomba ofisialy ny fi­voriana tetsy amin’ny No­votel Alarobia, tsy niandry ela fa avy harany dia nidina nijery ifotony ny fotodrafi­trasa tany Mahajanga omaly, ny eo anivon’ny CIJ (filan­­ke­vitra Iraisam-pirenena ny La­lao, ho an’ny lalaon’ny Nosy), notarihin’ny filohany, i Antho­ny Gopal. Niara-dalana taminy nandritra izany, ny minisitry ny […]