Fanatajahantena

Karate-Tompondakan’i Afrika: nahazo medaly alimo roa i Madagasikara

Niditra an-tsehatra, nanomboka omaly ny atleta malagasy miatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika any Durban. Medaly alimo miisa roa no efa norombahin’izy ireo. Mioty vokatra sahady ireo solontena ma­lagasy any Durban, andro voalohan’ny fifaninanana, na nisy aza ny fikorontanana teo amin’ny delegasiona malagasy. Medaly alimo roa sahady no norombahin’i […]

Kitra – Mondial 2026 : nakarina ho 48 ny mpifaninana

Namaly ny fangatahan’ ireo firenena maniry ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany na “Mondial” ny Federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Arakaraka ny kaontinanta ny isa firenena handray anjara izany. Nan­dritra ny fivoriambe tany Qatar, ny alakamisy teo, tapaka fa hakarina 48 ny mpifaninana amin’ny Mondial 2026. Hitombo, […]

Basikety : hamarana ny taona 2022 ny ligin’Analamanga

Hiavaka ny famaranana ny taom-pilalaovana 2022, amin’ ity ho an’ny ligin’Anala­manga ny basikety. Hisy ny hetsika karakaraina ny 10 sy 11 desambra izao eny amin’ ny kianja an’Ankaso, hahitana fifaninanana maro samy hafa amin’ny sokajy sy sehatra isan-karazany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ligin’An­a­lamanga, Andriatsima Hery, tetsy Mahamasina, omaly. Hiseho amin’ny […]

ASIEF: nahomby ny fikaonandoha tany Toamasina

Nizotra araka ny tokony ho izy ny fikaonandoha natao tany Toamasina, nandritra ny efatra andro, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny Asief (Associa­tion Sportive Inter­mi­nistérielle pour l’Entretien des Fonction­nai­res), Andria­na­rison Jean Aimé (Jhone Love). Mpandray anjara ma­herin’ny 90 avy amin’ny mi­nisitera 15 ny namaly ny antso ary tonga naneho ny heviny […]