Nofinofy efa ela ho an-dRakotobe Kristina ny hanampy ny ankizy sy tanora hisehatra eo amin’ny tontolon’ny basikety. Nisy fotoana izy nandalo teto Madagasikara ary nijery izay fomba hanatanterahiny izany nofinofiny izany. Ankehitriny, tapaka ny heviny fa hanome fiofanana ny mpilalao basikety, ho an’ny sokajy vehivavy eto Madagasikara. “Girls Unity Basketball” […]
Fanatajahantena
Tompondakan’i Frantsa “Regional 1”: nanao ny lalao voalohany i Koloina
Niditra teo amin’ny lalao voalohany niarahany amin’ny klioba vaovao hilalaovany, Razafindranaivo Koloina (Rakool), ny faran’ny herinandro teo. Fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa, amin’ny “Regional 1”. Taorian’ny fahatongavany tany Frantsa, ny faramparan’ny volana novambra lasa teo, nisantatra ny fiakarany kianja niaraka amin’ny ekipan’ny Arles Football Club, ekipa vaovao hilalaovany, Razafindranaivo Koloina […]
Kitra – Cosafa Scolaire: iray vondrona amin’i Afrika Atsimo i Madagascar
Hanomboka rahampitso alakamisy ao Harare, renivohitr’i Zimbabwe ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny ankizy mpianatra «Cosafa U15», lahy sy vavy. Fifaninanana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Ao amin’ny vondrona «B» i Madagasikara miaraka amin’i Afrika Atsimo, Zambie, Angola ary i Namibie. Azo […]
Ramaherison M. Tafitasoa : efa tompondakan’ny “Ile de France”, Judo
Judokas malagasy, mila ravinahitra any Frantsa, Ramaherison Misetra Tafitasoa, vao 11 taona monja. Ao amin’ny Judo Club d’Asnières no misy azy ary mianatra amin’ny kolejy manokana momba ny Judo ao Levallois. Nanomboka nanao Judo i Misetra tamin’ny faha-4 taonany ary efa nisalotra medaly maro. Anisan’ny goavana indrindra ny nahazoany ny […]
« Grand Tournoi Antananarivo » : hifandona ny Elgeco sy ny CFFA
Vita tanteraka izay ny fifanintsanana isam-bondrona ny “Grand Tournoi Antananarivo” izay natao teny Ambohidratrimo. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana indray izao. Hotontosaina eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, manomboka ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ny ampahefa-dalan’ny «Grand Tournoi Antananarivo (GTA)», taranja baolina kitra. Araka ny valin’ny antsapaka omaly, teny […]




