Fanatajahantena

Tenisy ambony latabatra : nahazo medaly alimo i Fabio sy i Antoine

Nanakoako tany Italie indray, ny faran’ny herinandro teo, ny lazan’ny tenisy ambony latabatra malagasy. Nandrombaka ny medaly alimo teo amin’ny fihaonana ho an’ny olon-droa miaraka lehilahy mantsy i Fabio sy i Antoine. Tsy mitsahatra ny mitondra avo ny lazan’i Ma­dagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny taranja tenisy ambony latabatra. Nandrombaka […]

«Atsimondrano Champion’s League» : tompondaka ny Tambatra FC sy ny Valence FC

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ankadivoribe Soalandy, ny lalao famaranana ho an’ny fiadiana ny andiany faharoa, amin’ny «Atsimondrano Cham­­pion’s League», taranja baolina kitra. Fifaninanana nokarakarain’ny Atsimon­dra­no Action sport sy ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny izay angady nananana sy vy nahitana izany. Voahosotra ho tompondaka ho an’ny faritra «A» […]

Kitra – «Can 2024»: nahitsy ho 27 ny isan’ny mpilalao

Nanambara ny kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, (CAF) ny zoma lasa teo, tany Egypta, fa nahitsy ho 27 ny isan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024) fa tsy 23 toy ny teo aloha. Zava-baovao amin’ity fifaninanana ity izany fanapahan-kevitra noraisina […]

AJS Mada Tsiadana : misarika ny ankizy hitia fanatanjahantena

Feno dimy taona ny sekoly rugby, Association des Jeunes Sportifs (AJS) Mada eny Tsiadana. Miezaka mitaiza sy mamolavola ny ankizy sy ny tanora hitia fanatanjahantena izy ireo. Hotontosaina ny alahady 24 desambra ho avy izao, eny amin’ny kianjan’ny Oniversite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des Jeunes Sportifs […]

Kitra –Balary Stadium : lasan’ny Miray FC ny 1 tapitrisa Ariary

Nankalaza ny tsingerin-taona voalohany, ny alahady 17 desambra lasa teo, ny kianja Balary Stadium Anosi­zato. Nanamarihana izany ny fifaninanana baolina kitra ho an’olona 9, nifanandrinan’ireo ekipa 48 nisoratra anarana. Norombahin’ny Miray FC ny lelavola 1 tapitrisa Ar, rehefa nandresy ny RMD, tamin’ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny famaranana. […]