Mahasarika an’i Claude Azema ny fitantanan’Andrianirina Julio Edouard, filoha vonjimaikan’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe. Manomboka mitsiry ny vahaolana ho an’ireo Malagasy mpankafy ity taranja ity. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), Andrianirina Julio Edouard, ny sabotsy lasa teo, teny Tanjombato, fa efa azo antenaina ny tsy hahavoasazy an’i Madagasikara. Ny 24 febroary […]
Fanatajahantena
Tsipy kanetibe : nisongadina ny ekipan’ny CBT Analamanga
Tontosa, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianja Fitaratra Malaza Andoharanofotsy, ny lalao fanokafana ny taom-pilalaovana 2024, ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ny federasiona sport boule malagasy (FSBM). Nisongadina ny ekipan’ny CBT Analamanga, teo amin’ny senior olona telo miaraka, lehilahy, nahitana an’i Doda sy i Hery ary i […]
Francis Coquelin : manaiky ny hanao Barea
Nambaran-dRakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, mpanazatran’ny Barea, ny alahady lasa teo, teny Isoraka, fa nanaiky ny hilalao ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy i Francis Coquelin, irakiraky ny Villareal FC Espagne. Tsy anisan’ireo mpilalao anatin’ny lisitry ny Barea hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana amin’ity volana marsa ity nefa izy, noho ny […]
“Lalao Afrikanina” : Atleta malagasy 64 hifaninana ao Ghana
Nanainga ny zoma 1 marsa teo ny andiany voalohany amin’ny delegasiona malagasy hiatrika ny andiany faha-13, “Lalao Afrikanina” hatao any Accra Ghana. Miisa 64 ireo atleta hifaninana, amin’ny taranja 12. Efa manomboka tonga tsikelikely ao Accra Ghana ny delegasiona malagasy, hiatrika ny andiany faha-13 amin’ny “Lalao Afrikanina”. Tonga any an-toerana […]
Kitra – EGBM: Sekoly hanofana ankizy ho lasa mpiandry tsatoby
Sambany hisy ny sekoly manofana mpiandry tsatoby eto Madagasikara. Hisokatra manomboka ny sabotsy 9 marsa ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja synthètique Betongolo ny Ecole de gardien de but de Madagascar (EGBM). Nanangana izany, Rasolofoniaina Pascal Honoré, mpiandry tsatoby tao amin’ny USJF Ravinala teo aloha ary efa nandrafitra ny […]





