Fanatajahantena

Rugby – Amboaran’i Madagasikara : vonona handresy ny Cosfa ny Uscar

Lalao handrasan’ny rehetra, ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara taranja rugby, amin’izao faran’ny herinandro izao. Hiady izany, ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar. Vonona handresy ny miaramila ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fanamby goavana ho an’ny ekipan’ny kaomi­nina Antananarivo renivohitra ny Uscar, ny hibata ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby ny alahady […]

«Ligue des Champions 2024» : hifanandrina amin’ny ekipa goavana ny PSG

Nifarana ny alarobia lasa teo, ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions (LDC) 2024”, taranja baolina kitra. Azo heverina ny mety hihaonan’ny ekipan’ny Paris Saint Germain France, amin’ireo klioba goavana toa ny Real Madrid Espagne, ny FC Bayern Munich Allemagne, ny Manchester City Angleterre. […]

Fiba Level 1 : Malagasy mpitsara 16 afa-panadinana

Nivoaka tamin’ity herinandro ity ny valin’ny fanadinana nataon’ireo mpiofana ho Malagasy mpitsara, Fiba Level 1, taranja basikety. Fiofanana nomen’ny manam-pahaizana, i Leslie Chérubin, ny 28 novambra hatramin’ny 31 novambra lasa teo, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina. Malagasy mpitsara 16 mianadahy no afa-panadinana ka nahazo ny diplaoma Fiba Level 1. Tsiahivina […]

“Cosafa School 2023” : resy ny ekipa malagasy lehilahy, ady sahala ho an’ny vehivavy

Notanterahina nanomboka omaly, tany Harare Zimbabwe, ny fifaninanana ho an’ny mpianatra “Cosafa School 2023”. Resy ny sokajy lehilahy ary ady sahala ny an’ny vehivavy. Ady sahala 0 no ho 0 no isa nentin’i Namibia sy i Madagasikara nisaraka nandritra ny andro voalohan’ ny fifaninanana “Cosafa school U.15”, taranja baolina kitra, […]