Fanatajahantena

Karate -Tompondaka an’i Afrika : noraisin’ny WKF sy ny UFAK ny federasiona malagasy

Araka ny loharanom-baovao, nihaona tamin’ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena (WKF), i Chérif Béchir sy ny filohan’ny UFAK (Union des Fédéra­tions Africaines de Karate), i Mohammed Tahar Meshbahi, ny federasiona ny Karatedo malagasy, tarihin’ny Sensei Emile, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, hatao any Durban. Araka ny fanazavan’ny FKM, […]

Kitra-CHAN 2022: hanao lalao ara-pirahalahiana 4 ny Barea

Nivoaka omaly ny lisitr’ireo mpilalao 36 hisafidianana izay hiatrika ny Chan 2022 any Alzeria. Hiatrika lalao ara-pirahalahiana 4 ny Barea, mialoha ny fifaninanana. Ny seleksiona renioney hahitana mpilalao malagasy sy renioney no hifanandrina voalohany amin’ny Barea, amin’ireo lalao ara-pirahalahiana efatra kasaina hatao, araka ny nampahafantarin’ny Federa­sioni­na malagasin’ny baolina kitra, omaly, […]

Kitra – OPL : hifandona ny CFFA sy Jet Kintana FC

Hiady ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo ny CFFA Andoharano­fotsy sy ny Jet Kintana FC Itasy. Lalao tafiditra amin’ny andro fahatelo ny fifaninam-pirenena taranja baolina kitra eto an-toerana, diviziona voalohany na “OPL”. Fihaonana hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Mahitsy, amin’ny alahady 04 desambra. Raha hiverenana ny andro faharoa izy ireo, […]

Basikety-Elites Jeunes: hiofana any Senegaly i Taratra sy i Anyssa

Hotontosaina any Sene­galy, ny 3, 4 ary 5 desambra izao ny fampiofanana ireo tanora afrikanina mpilalao basikety sangany na ny « Elites Jeunes ». Ho fanohizana ny « Youth Camp », izay nataon’ izy roa vavy, ny volana oktobra lasa teo, hihazo an’i Sene­galy indray, Ramahatra Taratri­niaina Muriel sy Rakotonana­hary Joanie Anyssa, haka traikefa. […]