“Maro amin’ireo mpilalaon’ny Fosa Junior FC Boeny no tsy tonga manao fanazaran-tena hatramin’izao”, hoy Rajaonarisamba Frank, mpanazatra ny Fosa Junior, omaly. Anisan’izany i Jean –Yves, i Tsiry Kely, i Drogba, i Naina, i Rado Kely, i Arisa. Lasa nanao polisy kosa i Fabrice, mpiandry haraton’ny Fosa Jr, hoy ity mpanazatra […]
Fanatajahantena
Federasion’ny Basikety : ho feno ny fandaharam-potoana 2024
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe fanao isan-taona, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety. Fotoana nanaovana tatitra ny zava-bita nandritra ny taona 2023 ary fampahafantarana ny fandaharam-potoana ho amin’ny taona hoavy. Araka ny fantatra, ho feno tanteraka izany fandaharam-potoan’ny FMBB izany, amin’io taona 2024 io, […]
Kitra : hiofana ao amin’ny Brest sy Lens ny Me Rôrô
Hanamafy fahaizana any Frantsa, amin’ny fiandohan’ny taona 2024, Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ekipa roa ao amin’ny «Ligue 1», no hangalany traikefa, amin’ity. Fantatra izao fa hanainga ary hihazo an’i Frantsa, amin’ny fiandohan’ny volana janoary 2024, Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Araka ny fampitam-baovao […]
ZDS Ikopa: Kaomandy vaovao ny Jly Dera Didier
Notontosaina ny 8 desambra 2023, tao amin’ny Bataillon Infanterie Antananarivo eny Fiadanana, ny lanonana ara-miaramila fandraisam-pibaikoan’ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa (ZDS Ikopa). Ny Jly Dera Zafindravolamananarivelo Didier no voatendry ho kaomandy vaovao ny ZDS Ikopa. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Delphin. Nanome […]
CAF Scolaire 2023: Ao amin’ny vondrona B i Madagasikara
Hotanterahina any Harare Zimbabwe, manomboka ny 14 – 16 desambra ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina “African School Football Championship”, taranja baolina kitra. Ao anatin’ny vondrona B no misy an’i Madagasikara, araka ny antsapaka natao omaly. Hiady ho lohany amin’izy ireo ao i Afrika Atsimo, Angola, Namibia, Zambia. Marihina fa natokana ho an’ny mpianatra […]




