Fanatajahantena

Kitra : lasa mpanazatran’ ny CFFA i Hery Be

Nanomboka ny zoma 1 marsa lasa teo, Rabeharisoa Herimanitra (Hery Be) indray no mpanazatran’ ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy. Nandimby an’i Titi Rasoanaivo indray izany ny lehilahy ao anatin’izao fiatrehana ny fifaninanam-pirenena “Pureplay football league (PFL 2024)” izao. Noho ny vokatra ratsy azon’ity ekipan’Andoharanofotsy ity tao anatin’ny andro telo efa tontosa […]

Ping Pong- Lalao Afrikanina : nahazo fandresena roa ny lehilahy malagasy

Niditra an-tsehatra, omaly, ny Malagasy eo amin’ny isan-tarika, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra amin’ny lalao Afrikanina any Ghana. Nahazo fandresena roa ny sokajy lehilahy Tsara ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, ao anatin’ny andiany faha-13 ny lalao Afrikanina, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, sokajy lehilahy isan-tarika. Nanao pao-droa […]

“Lalao Afrikanina”: ratsy ny vokatra ho an’ny ping-pong

Nanokatra ny fifaninanana ho an’ny “Lalao Afrikanina”, tanterahina any Ghana, ny alatsinainy teo, ny taranja ping-pong. Ratsy ny vokatra ho an’ny Malagasy, satria tojo faharesena avokoa ny teo amin’ny olon-tokana. Teo amin’ny lehilahy, lavo teo amin’ny ampaha-64-n-dalana avokoa i Mamy Riva, i Setra ary i Fabio. Niondrika teo anatrehan’ilay Nizerianina, […]

Moto – “Mada 2024” : lasan’i Lucas Robert ny fandresena

Tontosa ny alahady lasa teo, teny Ambohidava Antana­narivo, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja “Motocross 2024”, sokajy élite 1. Nanjakan’ilay Renioney, Lucas Robert, tanteraka ny fifaninanana. Nahazo ny laharana voalohany izy tamin’izany, rehefa nahavita fihodinana in-12 tao anatin’ny 20 minitra ka nahazoany isa 50. Mitana ny laharana […]