Nanomboka ny 6 desambra lasa teo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior, taranja lomano, tanterahina atsy amin’ny nosy Maorisy. Atleta 8 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara. Hiditra amin’ny andro fahatelo ny “Juniors Swimming&Open Championships 2023” any Côte d’Or, Maorisy. Fifaninanana andiany faha-15, natokana ho an’ny atleta 14 […]
Fanatajahantena
Andy Erika : niangaly jiu-jitsu nanomboka ny faha-4 taona
Malagasy mpikatroka ny taranja jiu-jitsu zandriny indrindra eto Madagasikara, i Andy Erika, vao 8 taona monja. Zandriny indrindra saingy tena efa misongadina tanteraka satria efa in’efatra izy no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ity taranja ity. Nanomboka tamin’izy zaza vao efa 4 taona dia efa niangaly ny jiu-jitsu brezilianina i Erika. Efa fahazarana ho azy ny […]
« Grand Tournoi d’Antananarivo » : lavon’ny US Pro ny Mama FC
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny andro faharoan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo (GTA)”. Lavon’ny US Pro klioba avy amin’ny ligin’Analamanga, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Mama FC “OPL”. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, ady sahala 0 no ho 0 nentin’izy ireo niala sasatra. Rehefa nandeha […]
Kitra – Fandaharanasa TDS : tetikasa hananganana Barea U.17
Tanterahina eto Madagasikara ny fandaharanasa fampiroboroboana ny talenta, amin’ny taranja baolina kitra, ho an’ireo kilonga 13 taona. Tanjona ny hananganana Barea U.17, handray anjara amin’ny « Can 2026 ». Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry ny tetikasa fampiroboroboana ny talenta eo amin’ny taranja baolina kitra. Fandaharanasan’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA) izy ity […]
2è Grand Prix Karting : hamaritra izay ho tompondakan’i Madagasikara
Hanakatona ny fifaninanana ny eo anivon’ny Federation sport automobile Malagasy (FSAM). Hamarana izany ny dingana farany amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ ny karting. Hotanterahina ny alahady 10 desambra ho avy izao, eny amin’ny “circuit” SRK Imerintsiatosika ny “2è grand prix karting”, dingana fahenina sady farany amin’ny fifaninanam-pirenena. Fihaonana karakarain’ny klioba FMMSAM. […]




