Notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, nanomboka ny sabotsy sy ny omaly alahady, ny andro fahatelon’ny fifaninanana “Grand tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Tafita amin’ny dingana manaraka avokoa ireo ekipa sangany amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)”. Anisan’izany ny CFFA Andoharanofotsy, ny Elgeco Plus FC, ny Disciples FC, ny Ajesaia sy […]
Fanatajahantena
DAKA AN-JORONY: Tsy marina velively
Nanambara Rakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa diso ny filazana an-gazety fa hisy fihaonan’ny Barea amin’i Maroc sy i Mozambique, eo amin’ny lalao fanomanana amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny « Mondial 2026”. Voalaza tamin’izany fa hotanterahina ny volana janoary, ireo lalao roa ireo. Nanamarika i Me Rôrô fa nisy […]
Fibatana fonjamby-“Iwf grand prix” : niakatra sokajy 49 kg i Rosina, laharana faha-17
Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Qatar, ny fifaninanana “Itw Grand Prix”, taranja fibatana fonjamby. Malagasy mpibata fonjamby roa no nisolotena an’i Madagasikara. Fifaninanana ao anatin’ny fifanintsanana hahazoana tapakila amin’ny « lalao olympika » ity natrehin-dRandafiarison Rosina sy Andriatsitohaina Tojo, tany Qatar, nanomboka ny 4 desambra lasa teo ity. Izy mianadahy ireo […]
«2ème Grand prix karting»: Tompondaka i Timothée Andriamamonjiarison
Nifarana omaly, teny amin’ ny «circuit» SRK Imerintsiatosika, ny «2ème Grand prix karting», dingana fahenina sady farany amin’ny fifaninanam-pirenena. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, i Timothée Andriamamonjiarison rehefa natambatra ny vokatra azo nandritra ireo dingana enina ireo. Marihina fa teo amin’ny laharana faharoa izy omaly. Nohamafisin’ity tompondakan’i Madagasikara ity fa ny […]
Rugby – Amboaran’ i Madagasikara: hidona amin’ny famaranana ny Uscar sy ny Cosfa
Tafita ary hiatrika ny famaranana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby, ny Uscar sy ny Cosfa. Afa-bela nanoloana ny FTM ny Bebaoty raha tsy mbola afaka nanaoloana ny Kaominnia ry zareo Anosibe. Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny lalao ankatoky ny famaranana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja […]




