Fanatajahantena

Volley-ball-CCZone 7: hifandona ny Cosfa sy ny GNVB anio

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’ny klioba eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball (CCZone 7). Samy Malagasy no hifanandrina amin’ny lalao manasa-dalana faharoa, anio, etsy Mahamasina. Niaraka tafakatra mantsy ny Cosfa sy ny GNVB, sokajy lehilahy, ka izy ireo no hiady ny […]

Volley-CCZone 7: tafakatra manasa-dalana ny GNVB, vehivavy

Samy ho tazana amin’ny lalao manasa-dalana avokoa ny ekipan’ny GNVB, lahy sy vavy, mandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny klioba, faritra faha-7 (CCZone 7), taranja Volley ball. Taorian’ny nahazoan’ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena lehilahy, ny tapakilan’ny manasa-dalana ny talata lasa teo, nahazo izany ihany koa ny GNVB, vehivavy, omaly alarobia 28 febroary, teny […]

Youzou Smatchin Orange-And-10 : nanatombo betsaka ny isan’ ny mpandray anjara

Raikitra ny andiany faha-10, amin’ny fifaninanana Smatchin, izay hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 9 hatramin’ny 17 Marsa izao. Nitombo ny isan’ny mpan­dray anjara, amin’ ity andiany ity. Tsia­hivina fa 15 no ekipa nifaninana tamin’ny fiandohan’ny fifaninanana, ny taona 2012 ary niakatra tsikelikely […]

« Pureplay Football League »: voalohany ny Fosa Junior

Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football Lea­gue (PFL)”, taranja baolina kitra. Misongadina tanteraka ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, izay laharana voalohany ao amin’ny kaoferansy avaratra, manana isa sivy (9). Farany kosa ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy atsy amin’ny kaoferansy atsimo, isa iray (1). Ny ekipan’ny […]