Fanatajahantena

Beach soccer : hatao any Manakara ny “Mada 2024”

Hotanterahina any Manakara, ny volana jolaly ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja beach soccer, ho an’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Io ny fandaharam-potoana navoakan’ny vaomiera misahana ity taranja ity eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny ala­tsinainy lasa teo. Tsy mbola voafaritra kosa anefa ny daty mazava […]

Tenisy – sokajy U14 : horaisin’i Madagasikara ny «Tournoi circuit Africain 2024»

Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena indray ny federasiona malagasin’ny tennis (FMT). Hotontosaina eto Madagasikara ny fihaonana ho an’ny sokajy zandriny U14, lahy sy vavy «Tournoi circuit Africain 2024». Hatao eny amin’ny club du Car Ivato, ny “Tour­noi circuit Africain 2024”, taranja tenisy, ho an’ny latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Misokatra […]

Lalaon’i Afrika – «Ping Pong» : nahena ny mpilalao ho any Ghana

Afaka folo andro, hiatrika ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain”, hatao any Ghana i Madagasikara. Ho an’ny taranja tenisy ambony la­tabatra, “Ping Pong”, nahenan’ny minisiteran’ny Fana­tan­ja­hantena sy ny tanora (MJS) ho efatra ny isan’ny Ma­la­gasy mpilalao hiaro ny voninahimpirenena amin’izany. Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Ping- Pong (FMTT), […]

Cross country : nanjakan’ny Bebaoty ny hazakazaka

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Bout de piste Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga “cross country”, sokajy rehetra ho an’ny taranja atletisma. Nanjakan’ny Bebaoty ny hazakazaka 10 km, teo amin’ny “sénior”, lehilahy. Voalohany i Elysé Heriniaina, avy amin’ny Cosfa, nahatontosa ny fifaninanana tao anatin’ny 33 mn 21 s […]

Espoirs Sportifs de Tuléar: haka medaly maro amin’ity taona 2024 ity

Fanamby vaovao mihitsy no apetraky ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar (EST) amin’ity taona 2024 ity, araka ny nambaran’ny filohany, i Vital Serge. Tanjona lehibe iray ny haka medaly maro. Ankoatra ny fanatanjahantena, hiditra bebe kokoa amin’ny lafiny ara-panabeazana sy ny ara-tsosialy ny Espoirs Sportifs de Tuléar . Tsy misy […]