Niditra an-tsehatra omaly, ao anatin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanana amin’ny “Road to BAL”, Elites 16, taranja Basikety, ny Cospn Madagasikara. Fifaninanana tontosaina any Johannesburg, Afrika Atsimo. Isa 5 monja ny nandavoan’ ny City Oilers avy ao Ouganda ny ekipan’ny Cospn Madagasikara, nandritra ny andro voalohany, omaly. Niady tanteraka ny fihaonana ary […]
Fanatajahantena
Taranja tolona : handeha ho any La Réunion i Sarah sy Nathalie
Tsy mbola mifarana ny taom-pilalaovana 2022-2023 ho an’ny taranja tolona. Hiatrika fifaninanana “tournoi de Noël” any La Réunion i Randrianandrasana Sarah Brillante, sokajy latsaky ny 73 kg sy Rasoanomenjanahary Nathalie (-53 kg). Fifaninanana izay hatao ny 2 sy 3 desambra ho avy izao. Raha ny fanazavana azo tamin’ny filohan’ny Federasiona […]
Ranaivoharivony Arindra : “Afapo na tsy nahazo voalohany aza”
Mpikatroka Malagasy eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu Brésilien, i Arindra. Vao herintaona monja izy no niditra teo amin’ny tontolon’ny JJB ary nandray anjara tamin’ny “Open d’Afrique” natao tany Maorisy farany teo. Naneho ny fahafaham-pony i Arindra tamin’ny medaly volafotsy roa norombahany. “Afapo aho na dia tsy nahazo ny anaram-boninahitra aza”, hoy […]
Trail – UCTS 2023 : Renione 15 hanafika eto Madagasikara
Raikitra indray! Hotanterahana eto Madagasikara afaka hateloana ny Trail- Ultra Trek des collines sacrées 2023. Mandray anjara mavitrika ry zareo avy atsy La Réunion. Nampahafantarina tetsy Antananinarenina, ny alahady lasa teo, fa hotanterahina ny 24 ka hatramin’ny 26 novambra ho avy izao, ny andiany fahefatra amin’ny Trail – Ultra Trek […]
Atletisma: herintaona nihazakazahana i Aina dia nahazo medaly volamena
Andrianjafy Ny Aina Anna, 16 taona, atletan’ny TAF Analamanga. Anisan’ireo zandriny indrindra niatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, teto Madagasikara. Tsy diso safidy ny Federasiona malagasy sy ireo teknisianina nifantina azy satria nitondra avo ny lazan’i Madagasikara ny tovovavy. Nahazo ny medaly volamena teo amin’ny 4 x 400 m sy ny […]




