Fanatajahantena

Maxitombola SMMEC: nahatratra 12 000 ny mpandray anjara

Nankalazain’ny Orinasa ma­lagasy fitahirizam-bola iombonana sy findramam-bola, ny 14 oktobra teo, teny amin’ny kianja Coliseum Antsonjombe, ny Andro maneran-tany ho an’ny tahiry. Lohahevitra noraisina « Ny tahiry no antoky ny hoavy », « Ny tahiry tsara tantana, hoavy milamina ». Natao nandritra ity fotoana teny Antsonjombe ity koa ny fisarihana […]

Angovo azo havaozina: herinaratra 50 Mw vaovao isaky ny distrika 46

Manohana an’i Madagasikara amin’ny famatsiana herinaratra ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hisitrahan’ny 70% amin’ny tokantrano malagasy izany hatramin’ny taona 2030. Mitentina 400 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena hananganana foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro eto Mada­gasikara. Miisa 46 ny foibe hatsangana any amin’ny distrika 46, samy hamokatra 50 Mw […]

Rugby « Lalao Olympika 2024 »: laharana fahadimy i Madagasikara

Nifarana omaly ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Lalao Olympika 2024”, taranja Rugby lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy, izay natao tany Tunisie. Nipetraka teo amin’ny laharana fahadimy i Madagasikara, rehefa nandavo ny mpilalaon’i Tuni­sie, mpampiatrano tamin’ny isa 25 no ho 5. Marihina fa nahazo fandresena telo tamin’ireo lalao dimy natao ny […]

Fiba 3×3 World Tour Shanghai: laharana fahatelo i Madagasikara

Tsara ny vokatra ho an’ny ekipa solontena malagasy “Anta­­nanarivo”, nandritra ny fifaninanana “Fiba 3×3 World Tour”, natao tany Shanghai, ny faran’ny herinandro teo. Dinga­na lehibe no vitan’i Elly, i Arnol, i Ricky ary i Livio, nanoloana ireo ekipa goavana sy kalaza maneran-tany. Laha­rana fahatelo no misy an’i Ma­dagasikara, taorian’ny lalao […]

Baolina kitra: lany ho filohan’ny FMF Andriamanampisoa Alfred

Hitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), mandritra ny taom-piasana manaraka, Andriama­nam­pisoa Alfred. Ligim-paritra 14 na­nome fitokisana azy hitondra izany mandritra ny efa-taona. Tontosa soa aman-tsara, tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ny sabotsy 14 oktobra lasa teo, ny fivoriambe nifidianana izay ho mpitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ho an’ny […]