Fanatajahantena

Taekwondo WT : tsy misy daty mazava ny fifidianana

Nandefa taratasy ho an’ireo seksiona sy ligim-paritra re­hetra, ny 2 oktobra lasa teo, ny filohan’ny federasiona ma­lagasin’ny taekwondo WT. Fampahafantarana ny fotoana ha­natontosana ny fifidianana amin’ireo rafitra isan-tokony amin’ ny fitantanana ity haiady ity no votoatin’izany. Mame­traka fa­nontaniana sy fisalasalana ho an’ireo voakasika izany satria tsy misy daty mazava mamaritra […]

Kitra – « Fenêtre FIFA » : afa-bela tamin’i Bénin i Madagasikara

Tamin’ireo lalao roa nataon’i Madagasikara, nahazo fandresena tokana izy ireo. Lavon’i Madagasikara tamin’ny isa 2 no ho 1 i Bénin. Nofaranan’ny Barea de Madagascar tamin’ny fandresena ny lalao fa­nomanana tafiditra amin’ny “Fenêtre FIFA”, izay natao tany Maroc. Resin’izy ireo ta­min’ny isa 2 no ho 1 i Bénin, nandritra ny fihaonana natao […]

JJB-Grappling Tournament: mpikatroka 175 no hifaninana

Hotontosaina ny 21 sy 22 oktobra ho avy izao ny fifaninanana Jiu-Jitsu Brésilien, karakarain’ny klioban’ny Attila, nampitondrainy ny anarana “Grappling Tournament”. Eny amin’ny Dojo an’ny Esca Antanimena no hanaovana ity fifaninanana ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny klioba mpikarakaraka, manodidina ny 175 eo ny isan’ny mpikatroka handray anjara, izay avy […]

World Rugby: «Commissaire au match international” i Donatienne

Mitondra avo ny lazan’ny rugby malagasy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, Rasoampamonjy Donatienne (Dô). Lasa «commissaire au match international» ny tenany. Nanome ny taratasy fanamarinana iraisam-pirenena ho azy ny World rugby. Mitombo isa hatrany ireo Malagasy teknisianina eo anivon’ny World Rugby. Anisan’ireo manatevin-daharana, Rasoampamonjy Donatienne (Dô), lasa “commissaire au match international”. Niofana […]