Mbola napetraka amin’ilay Malagasy mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix, ny fahatokisana ny hitondrana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar A. Tontosa omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha vaovaon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred sy ny filoha teo aloha, Andrianony Victorien. Taorian’io lanonana io, fantatra fa […]
Fanatajahantena
(FMF) : hatao anio ny famindram-pahefan’ny filoha
Araka ny fampitam-baovao, hotanterahina anio alakamisy 19 oktobra, etsy amin’ny efitrano malalaky ny kianja Barea Mahamasina, ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, sy ny teo aloha, Andrianiony Victorien. Araka ny lalàna, tsy maintsy niandry 2 andro taorian’ny fahavitan’ny fifidianana, ny vaomiera manokana misahana […]
Rugby Federal 2 : hifandona Anjanahary sy Amboditsiry
Hafana indray ny lalao rugby “Federal 2” izay hatao etsy Andohatapenaka, amin’ny alahady ho avy izao. Hanokatra ny fihaonana amin’izany, ny fihaonan’ny FTA Anjanahary sy ny 3F5 Amboditsiry. Tsiahivina fa ny ekipan’ny 3F5, efa nahazo fandresena nanoloana ny FTAM Mandrangobato, tamin’ny isa tery, 26 no ho 23, ny alahady 1 […]
«Basikety N1A» : hifanandrina voalohany ny Ascut sy ny As Fanalamanga
Hanomboka anio alakamisy 19 oktobra, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara N1A lahy sy vavy. Hisantatra ny fifaninanana ny Ascut sy ny AS Fanalamanga, eo amin’ny sokajy lehilahy. Ekipa mendrika indrindra, nandritra ny dingana voalohany, miisa 8, ny hiady ny amboara, eo amin’ ny sokajy […]
Atletisma : hahemotra ny fivoriamben’ny Federasiona
Noho ny zava-misy eto an-drenivohitra, nanapa-kevitra ny mpitantana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), fa hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voatondro ny fivoriambe ara-potoana (AGO). Raha ny voatondro mantsy, ny sabotsy ho avy izao, no hanatontosana izany eto Antananarivo saingy izao, nofoanana izao. Tsiahivina fa io no hanaovan’ny federasiona ny tatitra […]




