Fanatajahantena

Fiba Level 1 : Malagasy mpitsara 16 afa-panadinana

Nivoaka tamin’ity herinandro ity ny valin’ny fanadinana nataon’ireo mpiofana ho Malagasy mpitsara, Fiba Level 1, taranja basikety. Fiofanana nomen’ny manam-pahaizana, i Leslie Chérubin, ny 28 novambra hatramin’ny 31 novambra lasa teo, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina. Malagasy mpitsara 16 mianadahy no afa-panadinana ka nahazo ny diplaoma Fiba Level 1. Tsiahivina […]

“Cosafa School 2023” : resy ny ekipa malagasy lehilahy, ady sahala ho an’ny vehivavy

Notanterahina nanomboka omaly, tany Harare Zimbabwe, ny fifaninanana ho an’ny mpianatra “Cosafa School 2023”. Resy ny sokajy lehilahy ary ady sahala ny an’ny vehivavy. Ady sahala 0 no ho 0 no isa nentin’i Namibia sy i Madagasikara nisaraka nandritra ny andro voalohan’ ny fifaninanana “Cosafa school U.15”, taranja baolina kitra, […]

Kristina sy Donovan: hanofana ny vehivavy mpilalao basikety

Nofinofy efa ela ho an-dRakotobe Kristina ny hanampy ny ankizy sy tanora hisehatra eo amin’ny tontolon’ny basikety. Nisy fotoana izy nandalo teto Madagasikara ary nijery izay fomba hanatanterahiny izany nofinofiny izany. Ankehitriny, tapaka ny heviny fa hanome fiofanana ny mpilalao basikety, ho an’ny sokajy vehivavy eto Madagasikara. “Girls Unity Basketball” […]

Tompondakan’i Frantsa “Regional 1”: nanao ny lalao voalohany i Koloina

Niditra teo amin’ny lalao voalohany niarahany amin’ny klioba vaovao hilalaovany, Razafindranaivo Koloina (Rakool), ny faran’ny herinandro teo. Fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa, amin’ny “Regional 1”. Taorian’ny fahatongavany tany Frantsa, ny faramparan’ny volana novambra lasa teo, nisantatra ny fiakarany kianja niaraka amin’ny ekipan’ny Arles Football Club, ekipa vaovao hilalaovany, Razafindranaivo Koloina […]