Fanatajahantena

Rugby : lasan’ny Cosfa ny amboaran’i Madagasikara

Noraofin’ny Cosfa (Bebaoty) nody any an-dakazery ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Resiny teo amin’ny famaranana ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra). Tsy mbola afa-bela tamin’­izy ireo indray izany ny Uscar. Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny famaranana niadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, taranja rugby. Nobatain’ny Cosfa (Bebaoty), ny fandresena […]

Federasion’ny Kung fu : naverina amin’ny rafitra nisy taloha

Tontosa, omaly zoma 15 de­sambra, teny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Maha­masina, ny fivoriambe fanao isan-taona, eo anivon’ny Fede­rasiona malagasin’ny Kung fu. Zava-dehibe ny nanatanterahana ity AGO ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fede­rasiona, Grand Maître Avoko. Niarahan’ny ligy 9 nanapaka mantsy fa haverina ho toy ny rafitra nisy hatramin’izay, tany amin’ny […]

GTA – Manasa-dalana : hifandona ny CFFA sy ny Elgeco Plus

Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny ampahefa-dalan’ny «Grand Tournoi Antananarivo (GTA)», taranja baolina kitra. Anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny maro amin’ity dingana hiadiana ny tapakilan’ny manasa-dalana ity, ny an’ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy, rahampitso. Tsiahivina fa tamin’ireo lalao roa nihaonan’ny roa tonta nandritra […]

Rugby – Amboaran’i Madagasikara : vonona handresy ny Cosfa ny Uscar

Lalao handrasan’ny rehetra, ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara taranja rugby, amin’izao faran’ny herinandro izao. Hiady izany, ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar. Vonona handresy ny miaramila ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fanamby goavana ho an’ny ekipan’ny kaomi­nina Antananarivo renivohitra ny Uscar, ny hibata ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby ny alahady […]

«Ligue des Champions 2024» : hifanandrina amin’ny ekipa goavana ny PSG

Nifarana ny alarobia lasa teo, ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions (LDC) 2024”, taranja baolina kitra. Azo heverina ny mety hihaonan’ny ekipan’ny Paris Saint Germain France, amin’ireo klioba goavana toa ny Real Madrid Espagne, ny FC Bayern Munich Allemagne, ny Manchester City Angleterre. […]