Fanatajahantena

Mahatafita ny baolina kitra : maherin’ny 100 ireo nitsapa fahaizana

Notanterahina nanomboka omaly 28 septambra 2023, tao amin’ny kianja Maitre Kira Toliara, ny tetikasa “Baolina kitra mahatafita”. Nahatratra 100 mahery ireo tanora tonga namaly ny antso tamin’ity he­tsika ity. Marihina fa natao hitiliana mpilalao handeha ho any ivelany ny tanjona ho an’ny mpikarakara. Ilay vahiny mpazanatra, Wissem Mareef sy ireo […]

Cosafa Women’s Cup : nahazo fanampiana ny vehivavy Barea

Afaka enina andro, hiatrika ny fifaninanana “Cosafa Women’s Cup”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy izay atao any Afrika Atsimo, ny 4 – 15 oktobra ho avy izao ny Barea. Tonga nitsidika azy ireo omaly, teny amin’ny Ivontoerana Carion, ilay kandidà hanao komity mpanatanteraka ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Rajeriarison […]

«World Jiu-Jitsu Championship» : 11 mianadahy hisolontena an’ i Madagasikara

Fantatra ireo Malagasy mpikatroka eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu hiatrika ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, andiany faha-15, hatao any Abu Dhabi, ny 31 oktobra hatramin’ny 11 novambra izao. 11 mianadahy, 10 lahy sy 1 vavy, no voa­tsonga tamin’ny fampivondronana 3 natao, ka hisolontena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana maneran-tany ity, eo amin’ny […]

Tenisy – “ITF World Tour Juniors” : hatao eto Madagasikara ny fifaninanana

Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena miisa roa ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Hotanterahina eny amin’ny kianja Club Olym­pique de Tananarive (COT) Ilafy, ny “ITF World Tour Juniors”. Fihaonana natokana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Manana ny lanjany lehibe izy ity satria hahazoana isa eo amin’ny filaharana iraisam-pirenena. […]

Basikety 3×3-“World Tour”: hisolontena ny Malagasy ireo nanao JIOI

Hatao any Shanghai, ny 14 sy 15 oktobra ho avy izao, ny “World Tour”, taranja basikety lalaovin’olona 3. Handray anjara amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny ekipa “Anta­nanarivo”. Tohin’ny fifaninanana natao tany Wuxi, tamin’ny tapak’ity taona 2023 ity moa izao lalao “World Tour” izao ary noho ny vokatra azon’ny ekipa malagasy […]