Fanatajahantena

Fifidianana filohan’ny FMF: fantatra avokoa ny laharan’ireo kandidà

Afaka fotoana vitsy, hanana mpitantana vaovao indray ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hitondra ny FMF ny iray amin’ireo kandidà dimy nirotsa-kofidina. Tontosa omaly, teny Iso­raka ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ireo kandidà dimy nirotsaka hofidina amin’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny ba­o­lina kitra (FMF). Araka izany, mitondra ny laharana voalohany ao […]

Tsipy kanetibe : hotolorana 2 tapitrisa Ar ny tompondaka

Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy, teto Madaga­sikara, tsy miandry ela fa mitohy ny fifaninanana ho an’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM). Hiditra amin’ny fanatontosana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara indray izy ireo, amin’ity. Fihao­nana hatao mandritra ny hateloana, ny 29 septambra ka hatramin’ny 1 oktobra ho avy izao, eny amin’ny kianja PAC […]

Kids Atheltics : hiofana ireo mpanazatra

Tafiditra ao anatin’ny fanatontosana ny fandaharam-potoana omen’ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny taranja atletisma (World Athletic), ny fanomanana ireo ankizy eo amin’ity taranja fototra ity na ny Kids Athletics. Anisan’ny misitraka izany ny eto Madagasikara. Araka izany, hotanterahina anio alarobia, eny amin’ny kianja Alarobia ny fampiofanana ireo olona manodidina ny tontolon’ny atletisma […]

Fifidianana filohan’ny FMF : hatao anio ny antsapaka ho an’ireo kandidà dimy

Araka ny lisitra navoakan’ny Ceni eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny talata lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera. Tsy nisy latsaka fa nahafeno fepetra avokoa ireo kandidà dimy hifaninana ho filohan’ny FMF. Hotanterahina anio, eny Isoraka, ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ ireo kandidà dimy mirahalahy. Izay nirotsaka hofidina izay […]

Judo-« Tournoi de Venelle » : laharana fahadimy ny Diaspora malagasy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Venelle Fran­tsa, ny fifaninanana “Tournoi International de Venelle” isam-bondrona, taranja Judo. Nandray anjara tamin’izany ny Diaspora malagasy, sokajy lehilahy. Raha ny vokatra, teo amin’ny laharana fahadimy no nisy azy efatra mirahalahy, rehefa raraka teo amin’ny ampahefa-dalana. Azo lazaina ho tsara ny fanombohana ho an’ny […]