Hitana ny sain’ny rehetra amin’izao faran’ny herinandro izao, ny lalao manasa-dalana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Hangotraka ny fihaonana satria hidona ny kartie sy ny boaty. Hotanterahina etsy amin’ ny kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso alahady, ny ankatoky ny famaranana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Tam Anosibe hifandona […]
Fanatajahantena
« Grand Tournoi d’Antananarivo » : misongadina ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC
Taorian’ny andro faharoan’ny fifaninanana « Grand Tournoi d’Antananarivo », taranja baolina kitra, nivoaka ny filaharana isam-bondrona ho an’ireo ekipa 16 mandray anjara. Amin’ireo klioba mandray anjara amin’ny “Orange Pro League” OPL, misongadina tanteraka ny Disciples FC sy ny Elgeco Plus. Nahazo fandresena roa, tamin’ny lalao roa nataony avy, izy ireo. Mitarika ao […]
Mpilalao mendrika aty Afrika : hiady toerana i Salah, i Hakimi ary i Osimhen
Hotanterahina any Marrakech Maroc, ny alatsinainy 11 desambra ho avy izao, ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo Afrikanina mpilalao baolina kitra “Caf Awards”. Raha ho an’ny sokajy lehilahy, miisa telo ireo hiady ny amboaran’ny mpilalao mendrika aty Afrika, taom-pilalaovana 2022-2023. Anisan’izany i Mohamed Salah, egypsianina sy i Achraf Hakimi, marokanina ary i […]
Lomano-Africa Juniors : Malagasy mpilomano 8 mifaninana atsy Maorisy
Nanomboka ny 6 desambra lasa teo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior, taranja lomano, tanterahina atsy amin’ny nosy Maorisy. Atleta 8 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara. Hiditra amin’ny andro fahatelo ny “Juniors Swimming&Open Championships 2023” any Côte d’Or, Maorisy. Fifaninanana andiany faha-15, natokana ho an’ny atleta 14 […]
Andy Erika : niangaly jiu-jitsu nanomboka ny faha-4 taona
Malagasy mpikatroka ny taranja jiu-jitsu zandriny indrindra eto Madagasikara, i Andy Erika, vao 8 taona monja. Zandriny indrindra saingy tena efa misongadina tanteraka satria efa in’efatra izy no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ity taranja ity. Nanomboka tamin’izy zaza vao efa 4 taona dia efa niangaly ny jiu-jitsu brezilianina i Erika. Efa fahazarana ho azy ny […]





