Fanatajahantena

Basikety-BAL: Ekipa vahiny 3 no ho avy eto Madagasikara

Hotontosaina eto Madagasikara, ny 6 hatramin’ny 8 oktobra ny dingana voalohany amin’ny fifanintsanan’ny Basket ball Africa League “Road to BAL”, ao amin’ny vondrona E misy ny Cospn Madagasikara. Fantatra fa ekipa 3 avy eto amin’ny ranomasimbe indiana no ho avy eto an-toerana hiatrika izany fifaninanana izany. Roa herinandro tsy hanombohan’ny […]

Karate-“Challenge de Betsileo” : nandray anjara ireo kalaza tamin’ny JIOI

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Fianarantsoa, ny “Challenge de Betsileo”, andiany faharoa, taranja Karate. Niavaka tanteraka ny fifaninanana tamin’ity indray mitoraka ity satria saika namaly ny antso avokoa ny ligy rehetra manerana ny Nosy ary nandray anjara ireo kalaza sy nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy teo. Raha hiverenana ny […]

Taekwondo WT: vaky ny ady eo amin’Analamanga sy ny federasiona

Mihenjan-droa amin’izao fotoana izao ny tady eo amin’ny ligin’Analamanga sy ny federasiona Malagasy ny Tae-kwon-do WT. Namaky ny vay maharary ity haiady ity, tamin’ny rehetra, ny filohan’Analamanga, Rakotomanana Franck Tiana. Namory ny mpanao gazety, tetsy Andravoahangy, ny sabotsy lasa teo, ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomanana Franck. Nokianiny mafy tamin’izany, ny fitantanan-dRamanantsoa […]

Kitra – Fifidianana eo anivon’ny FMF : hivoaka amin’ny talata izao ny kandidà ofisialy

Nambaran’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana eo anivon’ny federasiona Malagasin’ny baolina kitra, ny alatsinainy lasa teo fa mbola eo am-pandinihina ny lisitr’ireo kandidà nandro­tsaka ny taratasy filatsahan-kofidina ho komity mpitantana sy ny ho filohan’ny federasiona (FMF), izy ireo ankehitriny. Hivoaka ny talata 26 septambra ho avy izao, ny lisitr’ […]

FIBA YOUTH CAMP : tafiditra anatin’ny All Star 5 i A’Ranty

Nifarana omaly 22 septambra ny fiofanana “Fiba Regional Youth Camp”, taranja basikety, notontosaina tany Bamako Mali. Taorian’ny lalao natao, tafiditra ao anatin’ny All Star 5, ny mpilalao malagasy, Rasetriarivony A’Ranty. Izany hoe, mpilalao 5 mendrika indrindra izy, izay nahazo ny fandresena tao anatin’ny “Team Grey”, niaraka tamin’ireo mpilalao afrikanina 4, […]