Fanatajahantena

Rugby: hiroso amin’ny fifidianana seksiona

Araka ny tapaka teo anivon’ny Malagasy rugby, hiroso amin’ny fifidianana ny filohan’ireo seksiona telo tsy mbola nahatontosa ny azy, ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Raha tsiahivina, tsy mbola nahatontosa izany Atsimondrano sy Avaradrano ary Antananarivo Renivohitra. Ho fanomanana izany, hisy ny fanazavan-kevitra hataon’ny Ceni foibe ho an’ireo […]

Kitra – Cosafa Women’s Cup : natao ny fampivondronana ny vehivavy Barea

Taorian’ny antsapaka natao ny 14 septambra lasa teo mahakasika ny “Cosafa Women’s Cup”. Efa miditra amin’ny fandraisana andraikitra hiatrehana izany ny kaomisionina ny baolina kitra vehivavy eto amintsika. Afaka sivy andro, hotanterahina any Afrika Atsimo, ny 4 hatramin’ny 15 oktobra ho avy izao ny fifaninanana «Cosafa Women’ s Cup », taranja […]

Rugby : nanentana ireo kilonga ambany tanàna ny Tibu Africa

Taorian’ny faritra Atsimo Andrefana, nitohy teto Anta­nanarivo indray ny fanentanana ireo ankizy, ampanaovin’ny Tibu Africa sy ny Terres en mêlées Madagascar eo amin’ny taranja rugby. Notantera­hina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka izany ny sabotsy lasa teo. Nisitraka izany, ireo kilonga 100 mianadahy eo amin’ny 7 – 15 taona, avy amin’ireo […]

Kitra – D2 National: fantatra avokoa ireo ekipa efatra hanao « Poule des As »

Toy ny efa nampoizin’ny rehetra ihany. Tafita hiatrika ny dingana manaraka ny FC JM Androy, FC Inate Vakinankaratra, KFCA Diana ary ny 3FB Alaotra Mangoro. Nifarana tany Mahajanga sy Antsirabe, omaly 24 septambra ny andro fahadimy, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra. Efa fantatra avokoa ireo ekipa roa voalohany isam-bondrona […]