Fanatajahantena

Kitra –“D2 National” : hiady tanteraka ny lalao rahampitso

Araka ny vokatra teo amin’ny andro fahefatra izay natao omaly, mbola sarotra fantarina ireo ekipa tafita hiakatra amin’ny dingana manaraka. . Notontosaina tany Maha­janga sy Antsirabe, omaly 22 septambra ny andro fahefatra, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra. Hatramin’ izao, mbola ady sarotra ny hamaritana ireo ekipa roa isam-bondrona tafita […]

TARANJA Atletisma : mety hihemotra ny “Mada jeunes” sy ny «Marathon»

Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, fifaninanam-pirenena eo amin’ny sokajy zandriny “Mada jeunes” sy ny “Marathon” sisa ny fandaharam-potoana tsy tontosa ho an’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), ary mamarana ny taom-pilalaovana 2023. Noho ny fahateren’ny fotoana sy ny ho fisian’ny fifidianana ho filoham-pirenena eto Mada­gasikara, mety tsy hisy izany […]

Basikety-N1A : hatao ny 19 hatramin’ ny 29 oktobra

Fandaharam-potoana mamaramparana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny taranja basikety, ny fifaninanam-pirenena N1A lahy sy vavy. Hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 19 hatramin’ny 29 oktobra izany. Ho an’ny sokajy lehilahy, fifaninanana ho an’ireo ekipa 8 mendrika indrindra na ny “Top 8” sy ny famaranana no hatao amin’io fotoana io. […]