Fanatajahantena

Taekwondo WT : Seksiona iray sisa tsy nahavita fifidianana

Seksiona efatra tamin’ireo dimy no efa nahavita ny fifidianana izay ho filohany, araka ny fotoana napetraky ny Fe­de­rasiona malagasin’ny taekwondo WT. Efa tontosa ny volana novambra lasa teo avokoa izany. Lany hitantana ny seksiona an’ Anta­na­narivo Renivohitra, Robivelo­manan­tsoa Mbola­tiana Vola­haingo. Hitondra an’Ambohi­dratrimo kosa Ranjavololona Julie Clau­dette. Filohan’ny seksiona Avaradrano, Rabemanan­jara Eric ary […]

Volley-Analamanga : nahazo mpitsara 25 vaovao

Volana vitsy nijoroany, miezaka mampandroso hatrany ny taranja volley-ball, ny eo anivon’ny ligin’Analamanga. Tao­rian’ny fifaninanana « service, réception, attaque », niroso tamin’ny fanofanana mpitsara indray ny LRVB, nanomboka ny faramparan’ny volana novambra teo. Vita ny fanadinana ho an’ireto mpiofana ho mpitsara ireto, ny 25 tamin’izy ireo no afa-panadinana ka voatendry ho mpitsara […]

« Baolina kitra mahatafita » : Malagasy dimy hilalao any ivelany

Taorian’ny andrana farany izay natao ny alahady lasa teo teny Mahamasina, Malagasy mpilalao dimy nanaovan’ireo teknisianina vahiny fanadihadiana manokana “entretien individuelle”. Raha ny fanazavana voaray tamin-dRamisamanana Lova, lehiben’ny LNR Sport Management, omaly, hahazo fanasana avy amin’ireo klioba vahiny izy dimy mirahalahy ireo rehefa manomboka ny “mercato d’hiver”. Tsiahivina fa efa […]

Tenisy – Mada 2023: norombahin’i Nicolas sy Tsanta ny amboara

Nifarana omaly, teny amin’ny Club olympique de Ta­nanarive (COT) Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “Mada 2023”, taranja tenisy. Norom­bahin’i Nicolas ny amboaran’ny “1ère série”, lehilahy, raha toa ka azon’i Tsanta ny an’ny vehivavy. Nahazo lelavola 6 tapitrisa Ariary avy izy mianadahy. Marihina fa ity fifaninanana ity, nandraisan’ireo sokajy […]