Fanatajahantena

Kitra – « D2 National » : fandresena iray dia tafita ny JSA Ihorombe

Notanterahina omaly, tany Mahajanga sy Antsirabe, ny andro fahatelo, fifaninanam-pirenena « D2 National », ta­ranja baolina kitra eto Madagasikara. Maka fandresena iray sisa, tafita amin’ny dingana manaraka ny JSA Ihorombe. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, izy ireo sy ny AS Jet Bongolava. Manana isa fito ity klioban’Ihorombe izay mifaninana any […]

Rugby – «Mondial 2023»: tsy afa-milalao i De Groot

Fahavoazana goavana ny an’ny All Blacks Nouvelle-Zelande, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2023”, taranja rugby. Fifaninanana tanterahina any Frantsa. Tsy afaka milalao amin’ireo ambin-dalao roa ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona mantsy i Ethan De Groot, mitana ny toeran’ny “pilier”. Noho ny karatra mavo nivadika ho karatra mena azony, […]

« Camp de basket-ball d’élites » : fivoahana any ivelany voalohany ho an’i Jean Felix

Misitraka ny fandaharanasan’ny Fiba Afrika, eo amin’ny lafiny fampiofanana ny tanora mpanao basikety sangany eto Afrika, i Madagasikara. Mpilalao 4 mianadahy sy mpanazatra 2 no miatrika izany amin’ity volana ity. Nanomboka omaly 20 septambra, any Ba­mako Mali, ny fiofanana « Camp de basket-ball d’élites ». Malagasy 3 lahy no solontenan’i Madagasikara, miatrika […]

SOKA Club: miditra an-tsehatra amin’ny kitra afrikanina ny Telma

Manomboka izao, afaka hiaina ireo vaovao eto Afrika ireo mpankafy. Azo atao izany amin’ny fidirana ao amin’ny SOKA Club, sehatra an-tserasera voalohany manangona sy manao varotra ary milalao amin’ny alalan’ny karatra niomerika misolo tena ireo firenena afrikanina 54. Misy ny SOKA Heroes, amin’ny fampiasana ny teknolojia NFT (non-fungible token). Misy […]

Basikety – “BAL” : hanampy ny Cospn i Bishop Michael Coulter

Hiatrika ny fifaninanana “Basket ball Africa League (BAL)”, dingana voalohany, ny 1 hatramin’ny 8 oktobra izao ny ekipan’ny Cospn. Ekipa tompondakan’i Madagasikara farany ka voatsonga hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity. Vaovao voaray teny anivon’ny klioba fa hanatevin-daharana indray ny Cospn, ilay mpilalao basikety amerikanina, i Bishop Michael Coulter. […]