Fanatajahantena

“World jiu-jitsu Championship” : laharana fahefatra i Zo Aina

Mpikatroka anisan’ny na­ha­vita dingana tsara indrindra hatramin’izao i Zo Aina, ao anatin’ny fifaninanana “World jiu-jitsu Championship”, tontosaina any Abu Dhabi. Sokajy Master, 85 kg, “ceinture marron” no nisy azy ka nahazoany io vokatra io. Mpikatroka 10 mahery no niara-niainga taminy, teo amin’ny ampahavalon-dalana, nandresy izy ka nahazo ny tapakila niatrehana […]

Barea : notoloran’ny FMF baolina

Afaka valo andro, izany hoe, ny 17 novambra ho avy izao, hifanandrina amin’i Ghana any an-toerana i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakilan’ny “Mondial 2026”. Ho fiatrehana izany, notoloran’ny filohan’ny Fede­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­ma­nampisoa Alfred, fitaovana toy ny baolina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Entina hampiasain’izy ireo mandritra […]

Kitra afrikanina : mety hiova endrika ny fiadiana ny «Chan»

Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny baolina kitra ny fiparitahan’ny vaovao tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, fa hiova endrika ny fifaninanana “Chan” ka afaka mandray anjara ireo mpilalao mpila ravinahitra. Navoakan’ny gazety Sport news Africa, ny talata 7 novambra lasa teo, fa hiova endrika manomboka izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, […]

«Ligue des Champions 2024» : hanala vela amin’ny Arsenal ny Seville FC

Hotanterahina anio, ny lalao miverina amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny vondrona « B » amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions (LDC) 2024 ». Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Arsenal FC, ekipa Anglisy, sy ny Seville FC, klioba Espaniola. Hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Emirates Angleterre ity fihaonana ity. […]